Izany no nisy teo amin’ireo mpampianatra fram sy ny ray aman-dreny manan-janaka mianatra ao. Latsakemboka 15 000 Ariary no nifanapahan’ny samy ray aman-dreny sy ny filohan’ny Fram, ny tolakandron’ny zoma 01 novambra lasa teo raha tsiahivina ny raharaha. Akory anefa raha iny hanatitra ny zanany hianatra ny alatsinainy 04 novambra iny ny ray aman-dreny dia niakatra tampoka ho 30 000 Ariary isan’ankizy indray ny vola tsy maintsy haloa. Raikitra ny fifanatonana ny talata 05 novambra maraina raha nisafo ity Epp iray etsy Marovato ity izahay hanaraka ny tohiny vaovao.
"Fon-dreny te hampiana-janaka no nanery anay hilavo lefona handoa ny latsakemboka 30 000 Ariary isan’ankizy", hoy ireto ray aman-dreny nilaza fa sahirana ara-pivelomana, ka nahazo fahafahana ho maimaimpoana tamin’ny Filoham-pirenena tsy handoavana ny saram-pisoratana anarana ho an’ny sekoly ambaratonga fototra. Dia izao mandoa ny fandaniana rehetra hanodinana ny sekoly izao indray ny ray aman-dreny, ka izy ireo no hiantsoroka ny fanamboarana ny fitaovana simba sy ny fotodrafitrasa any an-tsekoly. Dia torak’izany koa ny vola faktioran’ ny jirama, ny fitaovana hoentin’ireo mpampianatra mampita fahalalana ho an’ireo mpianatra, toy ny tsaoka na la craie sy ireo maro hafa.
Marihina fa i ramose Ramosavelo Moiiselin Bruno no tale vaovao nandimby ny tale teo aloha izay lasa nisotro ronono tamin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao ho an’ity sekoly ambaratonga voalohany fototra na Epp Fanantenana etsy Marovato ity. Ary dia torak’izany koa ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eto Mahajanga voalohany izay nahatontosa ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sefo Cisco vaovao ny tolakandron’ny alatsinainy 04 novambra teo tao amin’ny birao fiasany etsy manga, araka ny didy minisiterialy nanesorana ity sefo Cisco teo aloha ity, ny zoma lasa teo.