Webradio

SEHA-PIHARIANA DRAKAKA : Mitokona ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany

Nidina an-dalambe sy nilanja sora-baventy ireo mpisehatra amin’ny drakaka eto Mahajanga nanomboka ny faran’ny herinandro teo.  6 novembre 2019

“Efa maro ny antso nataonay tamin’ny haino aman-jery nefa tsy misy mihaino, tsy matoky intsony izahay…” Mandrahona mihitsy moa ny sasany amin’ireo mpitokona fa “mila ravaina ny fanaovana ampihimamba, hoy izy ireo. Tsy hanaiky mihitsy izahay, ka rehefa samy ho matiantoka dia aleo samy matiantoka…” ”Ho avy amin’ireo Sinoa ireo izahay rehefa avy any amin’ny sampan-draharahan’ny jono”, hoy hatrany izy ireo. 

Ny minisitera mihitsy no sakana amin’ity fitakianay ity, hoy hatrany izy ireo.  Nisy ny fivoriana niaraka tamin’ny minisitera tany Antsohihy nefa tsy nisy tohiny ny zavatra nifanarahana tamin’izany hatramin’izao. Hitondra ny raharaha ambonimbony kokoa izahay, hoy hatrany izy ireo.  Izahay no nifidy ny Filoha sy nametraka azy ka maninona no ny Sinoa no omena tombontsoa ? hoy hatrany izy ireo. Maro ny mpandraharaha Malagasy afaka manondrana sy Sinoa sasany ka maninona raha ireo Sinoa teo ihany no averina eo. “Tsy ekenay ny fanaovana izay tiana hatao amin’ny vidin’ny drakaka”, hoy izy ireo satria 7 000 Ariary eo no ividianan’ny olona manana fahazoan-dalana manondrana ny kilao.  “Ampifandanjao ny isan’ireo mpanondrana sinoa sy Malagasy ka izay tianay sy metimety aminay no halehanay”, hoy hatrany izy ireo. 

“Tsy hijanona izahay raha tsy azonay ny valiny. Efa nisy resaka natao tamin’ny minisitra tany Antsohihy nefa hatramin’izao tsy tanteraka”, hoy hatrany izy ireo.  Marihina moa fa nandritra ny tetezamita dia niroborobo ny sehatr’asa drakaka teto Mahajanga ary betsaka no nivoatra ara-toekarena ireo mpanangom-bokatra. Betsaka ny mpividy nifaninana tamin’izany ka nahatratra hatramin’ny 15 000Ariary ny ividianan’izy ireo ny iray kilao. Betsaka satria an’arivony taonina ny drakaka naondrana ka nahiana ho lany taranaka. Mimenomenona rahateo ny Malagasy fa tsy afaka mividy drakaka intsony fa lasan’ny Sinoa daholo.

Tsy nangarahara anefa ny fanomezana ireo fahazoan-dalana hanondrana nandritra ny fitondrana HVM. Betsaka ny mpandraharaha no very vola satria tsy vola kelikely no anaovana ‘bassin’ izany. Efa niova ny fitondrana izao ka manantena ny daholobe fa miova ihany koa ny fomba fiasa, ka tsy hisy intsony ny kolikoly sy fitavanana fotsiny ny asan’ny mpandraharaha… indrindra omena alalana malalaka miasa izy ireo fa ny mandamina sy mandrindra no asan’ny fanjakana. Ny talem-paritra eto Mahajanga Jaozandry  René moa dia nilaza fa hanao tatitra any amin’ny fanjakana foibe ary efa namaly ny ao amin’ny minisitera fa ny faran’ny herinandro izao no hitondra valiny  amin’ny fitakian’ireo mpisehatra amin’ny seha-pihariana drakaka ireo.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés