Webradio

DELEGASIONA GABONEY SY ETIOPIANA TENY MAHAZOARIVO : Vonona hitondra fiaraha-miasa maharitra

Mafy orina hatrany ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena any ivelany, indrindra fa ny ato anatin’ny kaontinanta Afrikanina. Vonona ny hitondra fiaraha-miasa maharitra ho  an’i Madagasikara ihany koa ny firenena Gaboney raha toa ka hanamafy izany hatrany ry zareo Etiopianina.  6 novembre 2019

Omaly, noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ireo delegasionina avy any Gabon izay nahitana ny Minisitry ny varotra gaboney. Niompanan’ny dinika teo amin’ny roa tonta tamin’izany ny fisokafan’ny fandraharahana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy i Gabon. Hisy manomboka izao ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo vokatra vokarina avy eto Madagasikara izay haondrana mankany Gabon ary tahaka izany ihany koa ireo vokatra avy ao amin’ity farany ahalefa aty Madagasikara. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fisian’ny fiaraha-miasa tahaka izao. Sehatr’asa maro no mbola tsy misy lalam-barotra ivoahana eto amintsika, manoloana izany indrindra no nahatonga ny fanjakana hikaroka lalana tahaka izao.

Ankoatra izay dia nihaona tamin’ny Praiminisitra ihany koa ny mpanolotsaina manokan’ ny Praiminisitra Etiopianina. Mahakasika ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany sy ny Indositria no nifampidinihan’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny sehatra ara-toekarena eto Madagasikara avokoa ny votoatin’ireto fihaonana ireto. Fanomezana tombondahiny ny orinasa Malagasy ihany koa. Ny firenena Gaboney sy ny Etiopianina dia anisan’ireo handray anjara amin’ilay fihaonam-ben’ny Vondrona Afrikanina mahakasika ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana izay tanterahina eto Madagasikara.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés