Webradio

FAHAMAIZANA : Nirehitra ny tambohon’ ny lisea Andohalo, fiara iray kila forehitra

Omaly alarobia  maraina  no nisy  fahamaizana  tampoka,  tsy  fanta-piaviana  nanaitra ny teo  amin’ny  manodidina teny  amin’ny  lisea Gallieni Andohalo, eto  an-drenivohitra.  7 novembre 2019

Raha ny zava-nitranga  hita  teny  an-toerana  dia teo  amin’ny  ampahan’ny tambohon’ny lisea Gallieni Andohalo no nahitana  firehetana voalohany, nahazo  laka izany  ka dia niampita tamin’ireo fiara  nijanona  teny  ivelany. Vokany, fiara iray  no  may  kila forehitra  tamin’izany.

Soa ihany  fa nalaky tonga  ny mpamonjy  voina tamin’io  fotoana io    ary   tsy  ela akory dia voafehy  ny  afo. Tsy  fantatra mazava ny  antony nahatonga  ny   firehetana  hatreto,  ao anatin’ny  fanadihadiana  momba ny  zava-nitranga  ny  tompon’andraikitra  amin’izao  fotoana izao. Marihina ihany  koa   fa tsy  nisy  ny  aina  nafoy na ny  olona naratra. Manentana ny  rehetra kosa   anefa ny  eo anivon’ny  sampana  mpamonjy  voina mba samy  ho  mailo  satria  dia  ao anatin’ny  vanim-potoana mafana  ny  toetrandro  amin’izao,  ka  mora mahazo  laka ny  firehetana mamoa-doza tsy  ampoizina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés