Webradio

FILOHA ANDRY RAJOELINA : Havaozina sy harenina ny fomba fiasa eny amin’ny Fitsarana

Ny alarobia teo no nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoa sady fivoriana farany eo anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (Csm) amin’ity taona ity.  8 novembre 2019

Etsy amin’ny foiben-toerany etsy Tsaralalàna no anatanterahana izany. 
Omaly no tonga nihaona mivantana tamin’ny mpitsara ambony mandrafitra ny filan-kevitra ambonin’ny Mpitsara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nafonja ny hafatra napetrany tamin’izany mba hamerenana ny hasin’ny Fitsarana sy hamerenan’ny vahoaka Malagasy ny fitokisany amin’ny Fitsarana. Tsy maintsy ho foanana, hoy ny Filoha, ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana ho fanadiovana ny Fitsarana. Ankoatra izay dia tsy maintsy ho hatsaraina sy harenina tanteraka ny fomba fiasa ao amin’ny Fitsarana. 

Tsy maintsy hisy ihany koa ny fifampidinihana hatao  ho fanatanterahana an’ireo ezaka natao nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Filoha tao amin’ny fonjan’ Antanimora herinandro lasa izay. Araka ny fantatra dia anisany hodinihan’ireo mpitsara ao anatin’ity fivoriana hatrehin’izy ireo ity ny mahakasika ny sata mifehy ny Csm. Mandritra ity fivoriana ity ihany koa no hiakatra filan-kevitra ny fitsipi-pifehezana ireo Mpitsara miisa valo. Noho ny fitondran-tena tsy mendrika, tsy fanarahan-dalàna  sy fanitsakitsahana ny sata mifehy ny mpitsara ary noho ny fanaovana kolikoly no voalaza ho antony nahatonga azy ireo hiakatra fitsipi-pifehezana. 

Ny fanapahan-kevitra iombonana no iankinan’ny sazy miandry azy ireo. Tanjona ny hanadiovana tanteraka ny Fitsarana ka tsy hisian’ny kiantrano an-trano

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés