Webradio

FAMPIELEZAN-KEVITRA : Rakotra loko volom-boasary ny tanànan’Ambanja

Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika  tamin’ny fahatongavany teny amin’ny seranan-tsambon’i Ankify ny alarobia teo  ny kandida Ben’ny tanàna  Saïd Hassan Ben Saïd Anoir Saïd Abdallah fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe  : Sassan  izay  natolotry ny vovonana IRD amin’ny fifidianana ho avy izao any Ambanja ary mitondra ny laharana fahefatra ao amin’ny bileta tokana. 8 novembre 2019

 Niainga teny Ambalavelona araka izany ny filaharam-be nanokafan’ity kandida ity ny fampielezan-kevitra izay nandraisan’ny vahoaka marobe anjara. Namakivaky ny tanàna ny kortezy  izay notarihin’ny kandida Sassan ary rakotro loko volom-boasary ny tao an-toerana. Nandritra ny kabary fohy nataony teo anoloan’ny trano fonenany, dia nilaza i Sassan fa pejy vaovao no hisokatra ho an’ny tanànan’i Sambirano raha izy no voafidy hitantana ity farany. 

Vonona hampandroso ny tanànan’Ambanja ny tenany, hoy izy, ary tsy hamitaka ny vahoakan’i Sambirano. Tsara ny manamarika fa efa miroso amin’ny fanadiovana ny tanàna ny kandida Sassan amin’ny alalan’ny fikambanana «  Tanàna Madio  » izay tarihiny. Teo ihany koa ny fanolorana fitaovana isan-karazany ho an’ny sekoly sy kaominina ary ny fandavahana vovo. Zana-tany ny tenany ary tsy kisendrasendra no niantefan’ny safidin’ny vovonana IRD taminy. Alefa Sassan.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés