Webradio

FIAROVANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Mila manitsy ireo mpamily manao tandrevaka ny mpandeha

Misy efatra ny antony  mahatonga ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny talen’ny ATT Toky Rahaingo, ka ny voalohany dia noho ny fotodrafitrasa izany hoe ny lalana , faharoa ny olana ara-teknika na mety fahasimban’ny fiara. 8 novembre 2019

 Fahatelo kosa ny fitondrantena sy fihetsika ataon’ny mpamily. Ary ny fahefatra farany dia mifandraika amin’ny lafiny toetrandro. Ny 95% ny lozam-pifamoivoizana miseho dia avy amin’ny fitondrantena sy fihetsiky ny mpamily, ka ahitana ireo tandrevaky ny mpamily. Na mpamily mamo, na mandeha mafy loatra, na manao fisongonana tsy ara-dalàna no tena mpanao loza… Niakatra ny salanisan’ny lozam-pifamoivoizana sy ny aina nafoy tamin’ity taona ity, ka misy ny hetsika hataon’ny mpitandro filamianana. Ny zandary dia nilaza fa hanamafy ny fanentanana hatao eny amin’ny lalam-pirenena.

Ny tompon’andraikitry ny fitaterana dia hanamafy ny fahaiza-manaon’ ny koperativa sy tompon’andraikitra eny nivon’ny kaoperativa. Ny mpampiasa lalana kosa dia entanina hanitsy am-pilaminana ireo mpamily avy hatrany, fa tsy hiandry loza hiseho. Tenenina izy raha mandeha mafy loatra mba hanaja ny hafainganam-pandeha, mba hiala sasatra raha hita fa te-hatory ny mpamily. Raha hafahafa ny fitondrantenany na ny fihetsika amam-pihetsika dia mampilaza ny kaoperativa sy ny ATT avy hatrany. Tsy maintsy miala sasatra ihany koa ireo mpamily raha mitondra fiarakodia lavitra na misy ireny mpamily mpanampy.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés