Webradio

ALIM-PANDIHIZANA TAO SAMBAVA : Roa lahy tratra nampiasa vola sandoka, karohin’ny Polisy

Sahiran-tsaina ny mponina, indrindra ny any ambanivohitra ao  Sambava  ny  amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka 20 000 Ariary izay manomboka sarotra amin’izy ireo ny manavaka ny tena izy sy ny sandoka.   8 novembre 2019

Fantatra tamin’ny  loharanom-baovao  voaray, fa  mahazo  vahana ny  fiparitahana  vola tsy  tena  izy  ao  an-toerana tato ho ato. Marihina  hatrany anefa   fa “helohin’ny lalàna sazy an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana sy fampiasana vola sandoka”. Raha  ny  tatitra, ny harivan’ny alatsinainy 04 novambra 2019 teo, nandritra ny alim-pandihizina tao Maroambihy  no  nisy  tanora  roa lahy  nampiasa vola sandoka ary  koa mbola nahatrarana vola  valo alina sy  iray hetsy ariary  izay  sandoka  roa alina ariary  avokoa.  

Tratran’ny tompon’ny  alim-pandihizana  moa   ny  hevi-dratsin’ireto roalahy   ireto  saingy  mbola namindra  fo ity  farany  ka nampisafidianiny  tamin’ny  hoe  : hatolotra ny mpitandro filaminana na hanao raharaham-pihavanana, ka hiantoka ny lany nandritra ny alim-pandihizana tamin’ny mpikarakara. Avy  hatrany  moa ireto  zatovo tonga dia nitsotra ny marina ka  hanefa  ny  lanin’izy  ireo ary  hiroso amin’ny  raharaham-pihavanana.  Araka ny  angom-baovao hatrany  dia efa fantatra fa  efa karohin’ ny  Polisy  izy  roa lahy ireo amin’izao fotoana izao satria nandositra tsy  hita popoka hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés