Webradio

FANAFIHAN-DAHALO TAO AMBAHITA BEKILY : Raikitra ny fifandonana, tafaverina ny omby an-jatony

Ny talata hariva hifoha alarobia lasa teo iny, dahalo  efa  ho  60 lahy   no  nigadona  tao Ambararata Andriambola Avaratra, kaominina ambanivohitra Ambahita, distrika Bekily, Faritra Androy, nikasa handravarava ny  tanàna. 8 novembre 2019

 Nirongo fitaovam-piadiana  marobe, basy  sy  zava-maranitra  ireo  olon-dratsy   ka tsy   sahy  nanohitra azy  ny  mponina. Vokany, omby miisa 119 no indray lasan’ny dahalo.  Niezaka  namaly ny fokonolona saingy  tsy nahatohitra ny fanafihana  hatramin’ny farany, hany ka lasan’ny dahalo avokoa  ny omby teo an-tanàna.   Raha vantany vao nahare izany  anefa ny avy ao amin’ny Zandary  vondron-tobim-pileovana Androy  dia nanetsika avy hatrany ny  «  1ère section USAD  » izay efa napetraka mialoha tao Isoanala mba hisakana ny kizo tsy maintsy handalovan’ireo dahalo ireo. 

Ny  alarobia  maraina   no nifanena tao amin’ny kizo Antsomontsoy, kaominina Isoanala ireo dahalo nitondra ny omby sy ireo zandary USAD. Raikitra ny fifandonana nanomboka tamin’ny fito ora maraina rehefa nanohitra ireo malaso. Nandritra  io  fisavoritahana io  dia tonga koa ny Zandary 25 lahy avy amin’ny «   CSAO  »  Imanombo Bekily mba hanampy ny USAD izay efa miady. Nahomby  araka izany  ny  paikady  ka resy tosika ihany ireo dahalo ny  farany.  Samy  nanavotra ny  ainy  ka nilaozan’izy ireo ny omby halatra  izay nentiny. 

Tsy  nisy ny aina nafoy  sy  ny  naratra  tamin’ny mpitandro  filaminana sy ny  fokonolona tamin’io  fotoana io  ary tafaverina amin’ny tompony ny omby miisa 119 sy ondry 05. Ireo dahalo kosa dia nisy ny lavo sy naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka.  Nahavelom-bolo ny  fokonolona tokoa io vokatra io ka samy nidera ny asan’ny zandary ny vahoaka sy ny manam-pahefana any an-toerana. Ho fanatsarana ny  fandriam-pahalemana hatrany  dia manao  fanentanana ny  mponina  ny  mpitandro  filaminana    amin’ny  fiaraha-miasa akaiky.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés