Webradio

HETSIKA IRAY IHANY ISIKA : Nomarihina Minisiteran’ ny serasera sy kolontsaina tao Toamasina

Hetsika efatra sosona no nomarihin’ny Minisiteran’ ny serasera sy kolontsaina tao Toamasina, ny sabotsy 9 novambra lasa teo. 11 novembre 2019

Ny voalohany, dia ny atrikasa momba ny hidirana ao anatin’ny TNT( Télevision Numérique Terrestre). Ho an’i Madagasikara, dia ny volana jona 2020 no tokony fe-potoana farany hirosoana ao anatin’ny TNT io. Izany indrindra no antony nanaovan’ny minisitera atrikasa ho an’ireo tompona haino aman-jery. Tao Toamasina no fanombohana. fotoana izay nanasana ireo tompona haino aman-jery avy amin’ny faritra telo : Alaotra-Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo. Mbola hitety ireo renivohi-paritany rehetra ny ministera.

Izao no natao mba tsy ho tompon-trano mihono sady koa ho famolavolana sahady ireo lalàna hifehy ny TNT eto amintsika. Rehefa mihatra mantsy io, dia tsy hisy haino aman-jery hanana olana amin’ny fiparitahana manerana an’i Madagasikara intsony.
Taorian’io atrikasa io, dia nisy ny fametrahana vatofehizoro an’ ilay Tranoben’ny serasera sy kolontsaina ao Toamasina. 

Tranobe izay natsangana ho fampiroboroboana ny lafiny serasera sy kolontsaina ary ho sehatra ho an’ireo mpanakanto. Ho an’ny toerana fanaovana fampisehoana dia hahitana seza 550. Hisy ihany koa ny efitra fanaovana fampiran-tiana sy efitra natokana ho an’ireo mpanao gazety.Tsara ny manamarika fa io no Tranoben’ny serasera sy kolontsaina faha-4 naorin’ny Ministeran’ny serasera sy kolontsaina eto Madagasikara.

Lanonana fahatelo notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo ny fanamarihana ny fanombohan’ny asa fanavaozana “Maison Nathan”. Ity trano ity izay manan-tantara tokoa ao Toamasina. Trano niorina voalohany tao amin’ny fokontany Ampasimazava tamin’ny 1928 ary mifanila amin’ny Place Bien Aimé.
Sambany izao asa fanamboarana izao. Hatao Mozea rehefa vita. Lanonana faha-4 natao tao Toamasina ny sabotsy 9 novambra ny hetsika « Iray Ihany Iska » ( 3I).
Ity hetsika ity izay ny fandaharanasan’ny minisitera izay miompana amin’ny fitaizana sy fanentanana ny olom-pirenena rehetra hamerina kolontsaina vaovao lavitry ny fankahalana sy ny fivakivakisana na dia eo aza ny fahasamihafana, na ara-piaviana, ara-pirazanana, ara-pinoana, ara-tsaranga, ara-bolonkoditra, ara-batana, ara-bola sy harena, ara-pirehan-kevitra,…

Karnavaly lehibe no nanamarihana izany izay nandraisan’ny sokajin’olona maro anjara.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés