Webradio

“NDAO HAMAKY BOKY-TNT” : Fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina

Hetsika maro sosona no notanterahin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina tao an-tapon-tanànan’i Mahajanga, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.  25 novembre 2019

Tafiditra tao anatin’ izany ny fampahafantarana ny tetikasa “Iray ihany isika”, fanombohana ny hetsika “ndao hamaky boky” ho an’ny Faritra Boeny rehetra ary ny fanazavana ny mahakasika ny fidiran’i Madagasikara eo amin’ny tontolo nomerika amin’ny fampiasana fahitalavitra na ny TNT. Teo amin’ny torapasik’i Mahajanga no natao ny hetsika “iray ihany isika.” Nampahafantarina tamin’ ny alalan’ny horonan-tsary teto ny hetsika “iray ihany isika.”  Ankoatra ny dihy mirindra niraisana, nisy koa ny kabary nifandimbiasana narahina diabe namakivaky ny tanàna. Nandray anjara tamin’izany ny fikambanana maro, ny sekoly, ny sampan-draharaham-panjakana. Niainga teo amin’ny Lapan’ny tanàna ny diabe natao ary nifarana teny amin’ny “torapasik’i Mahajanga. Nivoitra nandritra ny hetsika fa hery sy fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny fahasamihafana satria "Iray ihany isika Malagasy".

‘Ndao hamaky boky…

Hetsika ao anaty fandaharan’asan’ny minisitera koa ny “’ndao hamaky boky.” Mizara telo miavaka tsara ity hetsika ity  : Eo ny, «  ‘Ndao hamaky boky an-tsekoly  » : entina hampahafantarana ny tranom-boky eo anivon’ny minisitera, fametrahana ny atao hoe «  malle tournante  » ary fanomezana fampiofanana ny mpitantana ny tranom-boky an-tsekoly mahakasika ny fitantanana sy fanentanana ny tranom-boky. Eo koa ny fanomezana sehatra malalaka ny tanora, toy ny fametrahana toeram-pamakiana boky ankalamanjana, ny fametrahana toeram-pivarotam-boky manakaiky ny olona ary ny fikarakarana hetsika manodidina ny boky eny an-kalamanjana. Navoitran’ny minisitera nandritra ny hetsika koa ny fampiroboroboana ny vaky boky anaty biraom-panjakana. Hisy koa ny fametrahana ivon-toerana momba ny angom-baovao sy ny fampahalalam-baovao eny anivon’ny andrim-panjakana rehetra sy  fametrahana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Nanohizan’ny minisitera ny hetsika ny aty Mahajanga noho ny fahitana fa manana tombony manokana ity Faritra ity. Ho fanampiana ny kilonga mpianatra ao amin’ny EPP Mahabibo, niroso tamin’ny fanampiana boky ho an’ny sekoly ny minisitera. Boky natao manokana hisarihana ny mpianatra hitia izany vaky boky izany mba ho fanolokoloana ny sain’izy ireo. Miisa 400 ireo boky ireo ary azon’ny   sekoly rehetra ao Mahajanga ampiasaina ihany koa.

TNT…

Nitondra fanazavana momba ny «  Télévision Numérique Terrestre  » (TNT) tao amin’ny lapan’ny tanàna nandritra ny fandalovany tany Mahajanga  koa ny  Minisitry ny Serasera sy kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo. Nambarany  tamin’izany fa fanamby napetraky ny fitondram-pankakana ankehitriny amin’ny alalan’ny minisitera izay tantaniny ny fitsimbadihan’i Madagasikara ho amin’ny TNT, ny volana  jona 2020.  Maro  ny tombony  azon’ny haino aman-jery misafidy hiditra ao anatin’ny rafitra vaovao io, hoy ny Minisitra. Ilaina nefa ny fanazavana azy io mba ho fantatry ny besinimaro. Ankoatra izay, nijery ny fizotran’ny asa fanorenana ny Tranoben’ny serasera sy kolontsaina  izay ezahina  vitaina amin’ny volana jona 2020 koa ny minisitra nandritra ity diany ity.

Ny.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés