Webradio

ANDRANOMAVO – DISTRIKAN’I SOALALA : Noravan’ny andian-dahalo ny fifidianana

Nampihemotra ny olom-pirenena tao anatin’ny Kaominina Andranomavao, Distrikan’i Soalala hanatanteraka ny safidiny nandritra ny androm-pifidianana, omaly, ny hetraketraka nataona andian-dahalo.  28 novembre 2019

Voatery naato mihitsy aloha ny fifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny Fokontany Antsirabe, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fifidianana ao anatin’ny Faritra Boeny. Araka ny fanazavana noentiny dia nisy trangana fanafihan-dahalo  tao an-toerana ka anisan’ireo nanenjika dahalo ilay nomena andraikitra ho tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ilay birao fandatsaham-bato. 

Hatramin’ny nahazoana ny vaovao, tamin’ny 1 ora antoandro latsaka teo dia mbola tsy nisy fifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’io fokontany io. “Nisy tompon’andraikitry ny fifidianana tao amin’ny fokontany Antsirabe tsy tao an-toerana fa lasa raha nisy fanenjehana dahalo tao amin’io fokontany io. Ny fepetra noraisina niaraka tamin’ny zandary dia nalana ny vata mangaraharaha handatsaham-bato ka mbola tsy nisy ny fifidianana tao amin’io tanàna io”, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nambarany fa efa nisy ny fepetra hafa noraisina tao amin’io Kaominina Andranomavo io.

Tao anatin’ny Faritra Boeny hatrany, saingy tao amin’ny Kaominina Anosinalainolona, Distrikan’i Marovoay indray dia birao fandatsaham-bato iray no nahatratra vata mangarahara efa feno vato voaisy marika mialoha. Ireo solon-tenan’ny Kandida no nahatsikaritra izany ka rehefa natao ny fanadihadiana dia tra-tehaka io vata io. Hala-bato no azo andikana an’ity zava-niseho ity. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana sy mpikarakara ny fifidianana ity tranga ity. Ireo amin’ny ankapobeny ny tsy fahatomombanana hita raha tao anatin’ny Faritanin’i Mahajanga. Tany amin’ireo Kaominina sy birao fandatsaham-bato hafa dia saika nilamina izany tamin’ny ankapobeny.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés