Webradio

FILAN-KEVITRY NY GOVERNEMANTA : Ho tapitra ny 31 desambra 2019 ny fampiasana ireo vola teo aloha

Nampahafantarina nandritra ny filan-kevitry ny governemanta tamin’ny 26 novambra 2019 lasa teo, fa ho tapitra amin’ny 31 desambra 2019, ny fampiasana ny ravim-bola nivoaka ny taona 2003 sy 2004.  29 novembre 2019

 Ny ravim-bola 10 000 ariary, 5 000 ariary, 2 000 ariary izay navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara, araka ny didim-panjakana laharana faha2003-781 natao ny 8 jolay 2003 sy ny ravim-bola 1 000 ariary, 500 ariary, 200 ariary izay navoakan’ny banky foiben’i Madagasikara, araka ny didim-panjakana laharana faha2004-1040 natao ny 23 novambra 2004 no voakasik’io.

Voafaritra ao anatin’ity filan-kevitry ny governemanta ity fa tsy manan-kery intsony ireo ravim-bola voalaza ireo manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, aorian’ny datin’ny 31 desambra 2019. Azo atao ny manakalo ireo ravim-bola ireo any amin’ny banky foiben’i Madagasikara na any amin’ny banky tsotra na koa any amin’ny tahirim-bolam-panjakana sy ny rantsa-mangaika rehetra manerana ny Nosy, manomboka ny 2 janoary 2002 ka hatramin’ny 31 desambra 2020. 

Aorian’izay kosa dia any amin’ny banky foiben’i Madagasikara irery no hahafahana manakalo azy hatramin’ny 30 jona 2021. Tsiahivina fa efa niteraka resa-be teto amin’ny firenena ny fisian’ireto vola ireto ny taona 2003 noho ny vola mitovitovy amin’ny sary famantarana antoko iray. Ny vola iray alina ariary nivoaka ny taona 2004, ohatra, dia sary famantarana ny antoko Tim no hita eo aminy. Ny lalàna anefa dia mamaritra mazava fa tsy tokony hisy sary famantaran’antoko na firehana politika mihitsy anaty vola malagasy.

Ny.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés