Webradio

ANDAPA-FARITRA SAVA : Nozaraina masomboly "riz hybride " maimaim-poana ireo mpamboly

Natomboka tao amin’ny Distrikan’ Andapa, Faritra Sava, ny  sabotsy  14 desambra teo ny fizaràna maimaimpoana  ny masomboly "Riz hybride" tamin’ ireo mpamboly tao an-toerana. 17 décembre 2019

Araka ny vaovao voaray dia mahatratra 4,5 taonina ireo masomboly  nozaraina ireo  ary tsy andoavam-bola fa maimaimpoana. Natao izany mba hampitomboana ny voka-bary ary  hisian’ny fizakan-tena ara-tsakafo eo amin’ny vahoaka malagasy. Araka ny fantatra dia mamokatra hatrany amin’ny 9 taonina ny iray hekitara   amin’io  «  riz hybride  » io raha manaraka tsara ny toromarika teknika rehetra ilaina ny mpamboly. 

Ny Governoran’ny Faritra Sava,  Tokely Justin, niaraka tamin’ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono no tonga tao Andapa nanentana ny mpamboly mahakasika ny fambolena ity «  riz hybride  » ity ao amin’ny Faritra Sava. Tao Andapa no nisantarana izany izay fantatra fa sompitra amin’ny famokaram-bary raha ao Sava no resahina. Araka ny fantatra hatrany dia ny orinasa "STOI sy YUAN’S MADAGASCAR" no mpiara-miombon’antoka tamin’ ny hetsika izay natao ity, ary nahita ny solontena avy amin’ izany ihany koa nandritra ny hetsika natao tao Andapa ity.

Hita araka izany  fa miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ireo fanamby sy velirano izay nataon’ny  Filohan’ny Repoblika  Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka malagasy ny hetsika misy.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés