Webradio

SAHY MANDATSAK’AINA : Misesilany ny fanararaotaom-pahefana ataon’ireo Zandary sasantsasany

Hatramin’ny fiandohan’ny taona  2020, tsikaritra   ny fisetrasetran’ireo Zandary sasantsasany   eny  anivon’ny fiarahamonina  izay namoizana ain’olona avokoa.  9 janvier 2020

Toy  ny zava-nitranga teny Ivato tamin’ny  fiandohan’ny  taona  izay nahafatesana tovolahy  voatifitry ny Zandary  noho ny  hasarotam-piaro  diso tafahoatra,  tao  koa ny  tranga  teny  Bevalala  Andoharanofotsy  ny sabotsy 04 desambra lasa teo izay nahafatesana lehilahy  nodarohana  Zandary  noho  ny  resaka vola roa arivo Ariary monja tsy  voaloa, ny farany  niseho  tao Dondona  Soavinandriana  Itasy  izay  nahafatesana  sivily  miisa  03 ary  koa olona  05 naratra mafy  , zandary  iray nifanolana tamina  mpivarotra trondro no  niantombohany. Saika nanamarika avokoa  ireo  tranga niseho  fa  fampiasan-kery  midika ho fizahozahoana ho  tompom-pahefana  no  naharihariharin’ireo Zandary, hany  ka tsy  mahatandrina ny tokony hatao intsony ary  dia  mandika lalàna sy  sahy  mandatsaka ain’olona  amin’ny  tsy rariny. Manoloana  ireo tranga mahatsiravina misesilany  dia mitsipaka sy  manohitra  tanteraka ireo  zava-doza  vitan’ireo  Zandary  ny  eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

Manameloka  ny herisetra  ary  koa handray  fepetra  hentitra sy  mafimafy kokoa  ka hampiharana ny  lalàna velona. Hamafisin’ireto  farany  hatrany  moa  fa ao anatin’ny fanadiovana anatiny ny Zandarimaria ankehitriny,  hentitra hatrany ny famotorana tsy hanaovana ki-antrano-antrano. Toy ilay tovolahy namono olona teny  Ivato  izao  dia efa  nadoboka eny  Tsiafahy.  

« Tokony hosaziana faran’izay henjana ny nahavanon-doza », hoy ny Depiote Fy

Nitrangana disadisa tao Dondona, Distrikan’i Soavinandriana tamin’ny 07 janoary lasa teo. Sivily miisa telo no maty, olona 5 hafa naratra noho ny fifandonana. Araka ny fantatra, fahadisoana mihoa-pampana nataona zandary iray miasa ao amin’ny amin’ity tanàna ity no nahatonga ny fifandonana.  Nanao antso avo hijerena akaiky ity raharaha ity ny Depiote voafidy tao Soavinandriana, omaly nandritra ny fiarahabana ny Filoham-pirenena noho ny fahatratrarana ny taona vaovao teny Iavoloha. «  Tokony hosaziana faran’izay henjana ireny olona manao habibiana ireny satria manao fanararaotam-pahefana mba tsy hamerenan’ny hafa izany intsony. 

Tsy vitan’izany ihany fa mety hisy fiatraikany any amin’ny vahoaka koa ny fihetsika toy ireny satria mety hiteraka tsy fahatokisana ny mpitandro ny filaminana  », hoy ny Depiote Ramanana Fiainantsoa na Fy voafidy tao amin’ny Distrikan’i Soavinandriana. Notsipihiny nefa na izany aza fa manao efa manao ny ezaka rehetra ny tompon’andraikitra saingy ny «  tanàna tsy ilaozan’adala  », hoy ny fitenenana. «  Tokony ho hentitra isika amin’ny fijerena izay manjo ny vahoaka, maromaro ny famonoana olona tato ho ato izay ary matetika mpitandro ny filaminana hatrany no mahavanon-doza. Mpiasan’ny vahoaka isika ary karamain’ny vahoaka tsy tokony hamono olona  » hoy hatrany ny nambarany.

Nifanolana tamin’ny mpivarotra trondro

Raha tsiahivina fohy, nifanolana tamin’ny sivily, mpivarotra trondro iray io zandary io, ny tolakandron’ny 7 janoary. Rehefa tsy afa-po tamin’ny resaka vola ity farany dia nampihatra herisetra ka torana ilay iray. Nihevitra ilay zandary fa maty ilay mpivarotra nokapohiny ka nilefa izy. Tezitra noho izany ireo fokonolona nanatri-maso, ka naterin’izy ireo teny amin’ny Toby sy foiben’ny zandary any an-toerana ilay Mpivarotra trondro sady nikasa hitady ilay zandary izy ireo. 

Tsy hita tao ity farany ka notadiavin’izy ireo tany an-tranony indray ary dia tratrany tao tokoa. Niditra amboletra tao avy hatrany ireo fokonolona ka nitifitra ilay zandary ho fiarovan-tenany.  Vokany, sivily 3 no maty raha 4 kosa no naratra mafy. Ny roa tamin’ireo naratra dia ratra vokatry ny fifanosehana nandritra ny sahotaka. Ilay zandary kosa naratra teo amin’ny lohany ary potika vokatry ny fifandonana sy ny hatezeram-bahoaka koa ny trano sy ny fanak’ilay zandary.

Efa nisy andraikitra noraisina

Rehefa naheno ity tranga ity moa ny «  Commandant de Brigade  » sy «  Chef district Soavinandriana  » dia nidina tany an-toerana nijery ifotony sy namonjy ireo naratra sy nandamina ireo fokonolona.  Nosamborina avy hatrany ilay zandary ka nogiazana ny basy teny aminy. Rehefa tonga teny an-toerana ny «  Commandant de Compagnie Soavinandriana  » sy ny «  Commandant de Groupement GN Itasy  », dia nandray an-tanana ny raharaha ka nanao ny famangiana ireo mana-manjo sy ireo naratra izay efa tsaboina ao amin’ny CSB2 ao Soavinandriana ary nanokatra ny famotorana.

Tatianà R. sy Ny A.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés