Webradio

VONO OLONA TAO ANALALAVA : Novelesina tamin’ny hatony sy noratraina ny fivavian’ilay vehivavy

Vono  olona  niseho  tamin’ny  fomba feno habibiana  no   nitranga tao amin’ny  Distrikan’ Analalava ny alin’ny alatsinainy  lasa teo iny. 9 janvier 2020

Renim-pianakaviana iray 26 taona, mbola  vao manan-janaka  amam-bolana  no nisy  namono, teny  amin’ny  manodidina ny  toerana filalaovam-baolina tao  an-tanàna. Raha ny tatitra  voaray  dia mpivarotra  anana no  antom-piveloman’io  vehivavy io, ny  alatsinainy  tontolo anefa  dia tsy  nisy  nahita  ny tany izay  nandehanany  ny  fianakaviana. 

Rehefa  nokarohina  ny alin’io andro io   ihany, akory  ny  hatairan’ny rehetra  raha nahitana  ny  vatany  efa  nalemy tsy  nahahetsika sy  tsy  nahateny  intsony  nafenina tany  anaty  kirihitra.   Marihina  fa  mbola nitempo ny fony  tamin’io  fotoana  io  ka  noezahin’ny  rehetra nentina haingana tany  amin’ny  Hopitaly  saingy tsy tana intsony ny ainy afaka ora vitsy. 

Rehefa  natao ny  fizahana ny  razana  dia  nanambara ny mpitsabo  fa  voakapoka mafy tao amin’ny  lohany  sy ny  hatony ity  farany, nahitana  ratra ihany  koa tao  amin’ny  fivaviany. Marihina  moa fa mbola tsy fantatra  izay  nahavanon-doza hatreto, efa eo   am-pelatanan’ny  mpitandro  filaminana ao an-toerana kosa  ny fanokafana ny famotorana  amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés