Webradio

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Maty tsy tra-drano ilay tovolahy nitondra “moto”

Toy ny tamin’ny taon-dasa , nahavaky  vava  ny rehetra  ny  trangana lozam-pifamoivoizana,   izay  saika  ireo  mpitondra  moto  avokoa ny  ankamaroany.  14 janvier 2020

Misesilany  ireo  namoy ny ainy vokatr’izany, manginy  fotsiny  ireo  naratra.  Raha ny  loharanom-baovao  voaray  omaly , lozam-pifamoivoizana  mahatsiravina ihany  koa  no  nitranga tany amin’ny  lalam-pirenena fahatelo,  Antsahasoa fokontany Andranotsimihozo Kaominina  Talata Volonondry Distrikan’ Antananarivo Avaradrano,  ny  alahady  hariva lasa teo , tokony ho  tamin’ny  dimy ora sy  sasany tany  ho  any. 

Tovolahy  iray 24 taona  niaraka tamin’ny olon-tiany  22 taona nitaingina  “ moto “ no  niharan-doza tamin’io  fotoana io rehefa nifandona  tamina fiara  mpitatitra  iray  tao  an-toerana.  Nohamafisin’ireo nahita maso  fa nandeha mafy dia mafy  nifaninana tamina moto iray  hafa teo alohany ity  farany  ka izao niharam-boina izao. Na ny fiara nifandona taminy  koa aza dia  fantatra fa  nandeha mafy  ihany koa. Avy  hatrany dia nidaraboka tamin’ny  arabe ireto  farany. 

Naratra  mafy ilay  lehilahy  nitondra moto, tsy  nahatsiaro  tena intsony, nandriaka ny  rà ary  fantatra fa avy  hatrany  dia namoy ny  ainy   teo  no ho  eo  ihany  ity  farany . Noezahina  novonjena  kosa  ilay  ramatoa kely  niaraka taminy ka manohy mitsabo tena ao  amin’ny  Hjra hatreto.   Raha ny  loharanom-baovao   voaray  avy  amin’ny  Zandary  tao  an-toerana  dia tena ketraka ireto farany satria dia tsy  misy mihaino  mihitsy  ireo toro-lalana momba ny fifamoivoizana  apetraka amin’iny faritra iny . Samy  manao izay tiany  ireo  mpitondra fiara sy moto noho  ny tsy fisian’ny Polisy  misahana ny fifamoivoizana  ao  amin’ny Rn3. Tsy  vao izao  akory  fa efa  mateti-piavy loatra ny loza miseho  ao hoy  hatrany  ireo  Zandary.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés