Webradio

TOERAM-PIANTSONANA VOATOKANA : Tsy manan-kery intsony ireo fahazoan-dalana teo aloha

Namoaka fanambaràna ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ireo toeram-piantsonana voatokana na “Parking reservé”.  14 janvier 2020

Ny faran’ny volana desambra 2019 no nifarana ny fahazoan-dalana ho an’ireo rehetra nisitraka izany. Nilaza araka izany ny teo anivon’ny Kaominina fa tsy misy manana fahazoan-dalana hampiasa an’io toeram-piantsonana voatokana avy amin’ny Kaominina io intsony hatramin’ny fiandohan’ity taona ity vaovao ity. Andrasana, hoy ilay fanambaràna, ny fisian’ny fandaminana vaovao. Voamarina amin’ny alalan’ny takela-by ahitana rojo vy misy laharana nomen’ny Kaominina ireo toeram-piantsonana voatokana.

Izay nangataka ka nahazo alalana tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany no  mametraka izany manoloana ny vavahadiny, na ny tranony na ihany koa ny toeram-pivarotany. Manoloana ity fanambarana navoakan’ny Kaominina ity dia nanao antso tamin’ireo rehetra manana an’io takela-by izy ireo mba hanala izany tsy misy fepetra. Mbola tsy nisy hatreto ny fahazoan-dalàna vaovao navoakan’ny Kaominina. Hentitra ny fanaraha-maso, nanamafy izy ireo fa mahavoasazy ny tsy fanarahana an’io fandaminana napetraka io. 

Heverina fa tafiditra sahady ao anatin’ny fanovana ny rafitra sy ny fanovana ny fomba fitantanana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fampiatoana aloha ny fanomezana ahalalana an’ireo fiantsonana voatokana. Efa manangasanga sahady mantsy ireo endri-panovana isan-karazany indrindra amin’ny endrika ivelany eto ampovoan-tanana.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés