Webradio

ANTANANARIVO : Hoesorina avokoa ireo mpivarotra mibahan-dalana eny Analakely sy ny manodidina

Olana tsy  mety  voavaha  naharitra  taona  maro  ny  fivarotana ao  anaty  arabe  teto  an-drenivohitra.  14 janvier 2020

Saika feno, tsentsina  mpivarotra  amoron-dalana  izay  aleha  rehetra, hany  ka voaelingelina hatramin’ny  lafin’ny  fifamoivoizana.  Ho  fampandrosoana sy  fanatsarana ny  tanàna eto  Antananarivo  renivohitra   manoloana  ny  zava-amisy  dia  anisany  nitondra  paikady    ny   teo  anivon’ny  Polisy  miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely.  Omaly, nidina  ifotony   teny   amin’ireo  faritra  feno  mpivarotra manodidina  an’Analakely   sy Tsaralalàna   izy  ireo . Nampiomanina  avy  hatrany  ny  sain’ireo   mpivarotra  fa  tsy  maintsy   hiala  amin’ny  toerana  mahazatra  izay  nivarotana  ary koa niangaviana mba hanatona ny Kaominina   hamantaran’izy  ireo  toerana  vaovao tokony ho azo  anaovana  ny  tsena  vaovao  indray. 

Tsy  maintsy  noraisina  ny  fepetra  mba  hanalefahana   ny  fitohanan’ny  fifamoivoizina  lavareny. Etsy  andanin’izay , mba voahaja ihany  koa  ny  lalana «  trottoir  »  natao ho  an’ny  mpandeha an-tongotra. Atao  ezaka goavana manomboka izao  ny  fanabeazana  ny  mponina ho tia filaminana  sy  mahay  manaja  lalàna  mifehy ka tsy  ho  zatra  goragora  intsony.

Tokony  tsy ho hita  intsony  ireo  olona  zatra mandika  lalàna fa  samy  hanaiky  ny  fandaminana  apetraka  avokoa. Aorian’ity  fanentanana notanterahin’ny  Polisy  ity  moa  dia tsy  maintsy   hiroso   amin’ny fanalana ireo  mpivarotra  amoron-dalana iray  manontolo ireto  farany  amin’ny  herinandro  manaraka  izao raha sendra  ka mbola mahita.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés