Webradio

RAHARAHA KIDNAPPING : Tra-tehaka tao Anjozorobe Randriamanga, jiolahy ikoizana

Raha toa ka efa an-taonany maro  ireo  trangana fakàna an-keriny  nifanesisesy tamin’ny  Faritra maro manerana ny Nosy,  dia  tsy  mitsahatra manao  ny fanadihadiana lalina hatrany  ny  mpitandro  filaminana eto  amintsika mikaroka ireo  olon-dratsy.  21 janvier 2020

Nahitam-bokany  tokoa izany  tamin’ity  taona ity  satria  sarona tsikelikely  ireo  jiolahy  tompon’antoka tamin’ny  fanatanterahana fakàna an-keriny na “kidnapping “ mahery  vaika, toy ny  teto  an-drenivohitra, ohatra.  Efa  saika tra-tehaka avokoa ireo  jiolahy  mpaka  an-keriny, ary ny  teratany karàna no tena tsikaritra fa tena matetika lasibatra amin’ity asa ratsy ity. 

Nahazoana  loharanom-baovao ihany  koa izao ny  faran’ny  herinandro  lasa teo iny  fa  voasambotra  Randriamanga izay  mpaka  an-keriny  tena nikoizana  sy  efa anisan’ ireo  ela nokarohina. Araka ny tatitra  voaray  dia  voasambotry ny  miaramilan’ny 3RG DAS Marotsipoy, ny  zoma faha  17 janoary 2020 tao  Ambohitsimarofotsy,  Distrikan’ Anjozorobe ity  farany.  

Nandray   fepetra  hentitra  avy  hatrany ny teo  anivon’ny  zandary  tao  an-toerana, ka  nosokafana  ny  famotorana  lalina  natao  taminy. Aorian’izay  moa dia hiakatra Fampanoavana ny raharaha.  Miezaka hatrany  moa ny  eo  anivon’ny  mpitandro  filaminana  eto  amintsika   amin’ny  fanatsarana ny  fomba fiasa ary  koa mikaroka  ireo  jiolahy  nahavanon-doza maro  mbola tsy hita. Raha ny  lafiny  fakàna  an-keriny  izao  dia anisany tanjona goavana  apetrak’izy ireo  ny  hanafoanana tanteraka ary  koa  hisamborana ireo  atidoha mpikotrika ity  tranga ity  eto  amintsika.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés