Webradio

MPIKAMBANA EO ANIVON’NY GOVERNEMANTA : « Misy ny miala ary misy koa ny hotazonina »

Feno herintaona katroka amin’ny 24 janoary ho avy izao ny nanendrena ireo Minisitra 22 mandrafitra ny Govenemanta Ntsay Christian.  21 janvier 2020

Araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina moa dia hotsaraina amin’ny asa ireo minisitra ireo ary taona iray no fe-potoana hiasany. Hisy ny fanaovana tombana sy fanadinana rehefa dila io fe-potoana io. 

Hotazonina ireo nahavita ny andraikitra nankinina taminy ary ireo tsy nahefa izany kosa dia tsy maintsy hosoloina. Nanamafy ny mahakasika izay fanaovana tombana izay ny Filoha ary nambarany fa tsy maintsy hatao tokoa io fanaovana tombana io hahafahana mandrefy ny fahavitrihan’ireo Minisitra nofidiany.

«  Mila olona manana traikefa ny firenena, tsy mety intsony izany olona tarihina lava izany. Minisitra tompon’andraikitra mahavita midina ifotony mijery ny olana rehetra misy eto Madagasikara no ilain’ny Firenena. Ireo mahavita izay nankinina taminy dia ho voatazona fa ny sisa tsy maintsy ho- esorina. Tsy maintsy misy ny miala ary  misy koa ny mbola hotazonina », hoy ny fanazavany.  

Ny A. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés