Webradio

MANANARA AVARATRA : Tovolahy iray namoy ny ainy, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Manao tohivakana ny  vono olona  amin’ny  fomba feno  habibiana   any amin’ny  Faritra maro  eto  amintsika tato ho  ato. 22 janvier 2020

Ao  ireo  vehivavy  sahy mifofo ny aim-badiny amin’ny  fomba mahatsiravina   noho ny  fijangajangana tafahoatra  loatra, vao  tamin’ny  faran’ny  herinandro  lasa teo  iny  ihany  koa ny  nahafatesan’ilay  zazavavikely  miisa roa nopoizinin-dreniny  ka  maty tsy  tra-drano. Manginy fotsiny  ireo  faty  hita etsy  sy  eroa. 

Raha ny  angom-baovao  voaray  omaly  izao  dia  nahazoana   tatitra  mahakasika  vono olona tamin’ny  fomba nampiahiahy tao  Mananara Avaratra. Tovolahy  iray  avy  any  Maroantsetra  ka tonga nivantana tao Mananara  ny alatsinainy  lasa teo  no  nisy  namono, marihana  moa fa  ny  rainy  niteraka azy  ihany no nipetraka tao  Mananara. Araka ny  fanazavana  voaray  hatrany  dia  karazany ho  alatsinainy alina  ity  farany  no  nisy  nifofo  ny  ainy, ny  talata maraina  vao hitan’ny  rehetra teo  amin’ny  manodidina  ny  razana. 

Rehefa  natao  ny  fizahana  dia  feno ratra ny vatany, nivoaka ra sahala amin’ny notsondromina tamin’ny  antsy  ny  fahitana  azy, hoy ireo  nanatri-maso. Tsy  fantatra  mazava  kosa hatreto  ireto  nahavanon-doza, tsy  fantatra  ny  olana nahatonga izao, eo am-panatanterahana ny fanadihadiana ny mpitandro  filaminana ankehitriny. Nisy  nilaza  moa ireo  nahafantatra azy  fa nikasa hiakatra   any  Antananarivo  renivohitra  izy io  saingy   izao  nindaosin’ny fahafatesana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés