Webradio

DISADISA MOMBA NY « PANIER GARNI » : Hiverina hampianatra amin’izay ireo mpampianatra

Niravona ny disadida momba ny raharaha nampisavorovoro ny mpampianatra sy ny Minisitera. 22 janvier 2020

Nanao fanambaràna niombonana omaly ny mpampianatra eo anivon’ny Lycée Moderne Ampefiloha makasika ilay raharaha  «  Panier Garni  » niteraka olana teo anivon’ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika ary ny fanofanana arak’asa. 

Nambaran’izy ireo fa mazava tanteraka ary tsy misy madilana hotentenina intsony ny fanazavan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gezety teny Iavoloha tamin’ny alatsinainy lasa teo. «  Manambara izahay fa mazava tsara ny fanazavana nentin’ny Filoham-pirenena mahakasika ilay vola 65 000 Ariary izay tsy vola akory fa solom-pen’akoho, voarainay mpanabe ny hafatra nampitainao Andriamatoa Filoha ary mahazo matoky ianareo fa hiverina hampianatra amin’izay ireo mpampianatra.

Mangataka kosa izahay anefa mba hijerena akaiky izay tena tompon’antoka tamin’ny nisian’ilay korontana ary mangataka koa izahay ny mba handoavana ny tambin-karama sasantsasany izay mbola tsy nahitana vahaolana hatramin’izao  », hoy ny voalazan’ireo mpampianatra.

Ny A.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés