Webradio

CORONAVIRUS NA 2019-nCoV : Mahatratra hatramin’ny 30 000 ny olona efa nifindrany

Tao anatin’ny roa volana monja dia tafakatra 565 ny isan’ny olona matin’ny tsimok’aretina « coronavirus », ary mahatratra hatramin’ny 30 000 ny olona nifindrany maneran-tany. 7 février 2020

Fantatra amin’izao ihany koa fa mifindra amin’ny zaza ao am-bohoka ilay tsimok’aretina, satria ny 2 Febroary lasa teo dia nisy zaza teraka tany Sina no voalaza fa mitondra ilay 2019-nCoV, antsoina hoe « coronavirus ». Miparitaka haingana be ity tsimok’aretina ity koa indreto misy toromarika vitsivitsy momba ity areti-mandoza ity.

Raha araka ny fantatra dia ny fihinanana ramanavy no nahatonga an’ilay valan’aretina Coronavirus, tany amin’ny tanànan’i Wuhan tany Sina. Mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy ny dikin’ny olona na biby mitondra ny tsimok’aretina izy io. Tsy fantatra eo no ho eo ny olona mitondra ny tsimok’aretina fa miotrika ao anaty,mandritra ny 2 hatramin’ny 14 andro izay vao hita soritra amin’ny tsy fahasalamany ilay marary mitondra ny 2019-nCoV (Coronavirus)

Ireto ny trangan’aretina ahafantarana ny olona voan’ny 2019-nCoV (coronavirus)

- Voan’ny tazo ilay olona

- Marary andoha

- Reraka (hita amin’ny maso)

- Mangatsiaka, tsy vonto-kafanana

- Tsembo-dratsy

- Marary ovana (torovandrovana)

- Sempotsepotra(tsy mahazo aina)

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés