Webradio

TSINDRY HAZOLENA : Nidoboka am-ponja ny ben’ny tanànan’ i Malaimbandy teo aloha

Mihatra hatrany ny fampiharana ny lalàna amin’ireo mihevi-tena ho tsy matimanota. Tsy misy fizahana tavan’olona ny fanasaziana fa izay nanao tsy nety teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia azo enjehina avokoa.  10 février 2020

Ny faran’ny herinandro lasa teo, naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Malaimbandy, ao anatin’ny Distrikan’i Morondava teo aloha niaraka tamin’ny lefiny izay mpiara-miasa akaiky taminy. Araka ny vaovao voaray dia anisany vesatra niampangana azy ny fanamparam-pahefana sy ny tsindry hazolena nataony tamina mpandraharaha tao an-toerana. Ity farany izay voalaza fa  tsy nanaiky ny hiara-dia taminy sady tsy nanaiky nanaraka ny baikony nandritra ny fotoana naha ben’ny tanàna azy, ka dia nanamparany ny fahefana nananany. 

Niainga tamin’ny fitarainana voarain’ny Zandarimariam-pirenena tao Malaimbandy no nanaovana ny fanadihadiana ka nahafahana nanenjika azy. Voalazan’ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha fa efa nitsoaka ny Faritra Menabe ity ben’ny tanàna teo aloha ity no nosamborina. Tany amin’ny Kaominina antsoina hoe Morafenobe ao anatin’ny Distrikan’i Mandoto no nahatratrarana azy,  voasambotra niaraka taminy ihany koa ny lefiny izay voasaringotra niaraka taminy ao anatin’ity raharaha ity. 

Ny zoma hariva lasa teo no natolotra ny fampanoavana tao Menabe izy roa lahy  ary avy hatrany dia niara-notazomina am-ponja vonjimaika. Araka ny vaovao voaray hatrany dia mbola misy antontan-taratasy hafa mikasika ny Kaominina Malaimbandy tamin’ ny fe-potoam-piasany ihany koa no arahin’ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly (bianco) akaiky amin’izao fotoana izao.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés