Webradio

ANTSOHIHY : Tovolahy iray nikasa hamono ny reniny niteraka azy nosamborina

Nisavorovoro ny  fokonolona  tao an-tampon-tanànan’ Antsohihy omaly tontolo raha toa ka  tovolahy  iray no nila ady  tamin’ny  reniny  niteraka azy   izay  saika  novonoiny ho faty mihitsy , soa ihany  fa niditra an-tsehatra ny  mponina tamin’ io fotoana  io niaro ilay renim-pianakaviana.  11 février 2020

Araka ny  loharanom-baovao  voaray bebe kokoa mahakasika ny zava-nitranga dia   voalaza fa  mamon-drongony  vao maraina  ity  tovolahy izay  tsy tena  fantatra   mazava izay  tena fahamarinany, nila ady avy  hatrany  tamin’ny  reniny  nivarotra  tao  an-tsena izy io. 

Nony  nahita ny fihetsika ratsy nataon’ity  farany  ny rehetra  dia nanapa-kevitra  ny  hisambotra  azy, tonga  dia nofatorana ny tanany  sy ny  tongony   ka noentina  haingana tany amin’ny  mpitandro filaminana  ny  raharaha. Avotra  soa aman-tsara  ity  renim-pianakaviana , an-dalam-panaovana  fanadihadiana  ilay tovolahy  nikasa hamono  ny reniny kosa ny Polisy  ao  an-toerana  amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés