Webradio

DISTRIKAN’I BEKILY : Dahalo miisa 03 maty, avotra ireo vehivavy 02 nalaina an-keriny

Araka ny  loharanom-baovao  avy eo anivon’ny  Zandarimariam-pirenena,  omaly teo  am-panoratana  ny lahatsoratra dia  vehivavy roa indray  no tratry ny fakana an-keriny "Bohiry" nataon’ny dahalo miisa 5 mitam-basy sy  fitaovam-piadiana  mahery vaika tao Antsarety, fokontany Ampandrandava, Kaominina  Beraketa distrikan’i Bekily, ny  faha  11 febroary 2020  tokony  ho tamin’ny 10 ora maraina tany  ho  any.  13 février 2020

Raha  vantany vao  nandre izany  ny  Zandary avy ao amin’ny “ Poste fixe Ampandrandava“ dia niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona, voasoritra tamin’izay  fotoana izay fa nihazo an’Andriry ny dian’ireo dahalo. Vokany,  teo amin’ny toerana atao hoe Ambatobe Andriry no nifandona ireo dahalo niaraka tamin’ny takalon’aina  sy ny Zandary niaraka tamin’ireo fokonolona andaniny. Raikitra  ny  tifitra vari-raraka. Manoloana ny fahaiza-manaon’ ireto  Zandary  nanampy ny fokonolona dia  avotra  soa aman-tsara  ireo takalon’aina.  

Miisa 03 ireo dahalo lavo  nandritra ny  fifandonana raha toa kosa ka  mbola karohina hatramin’izao ny  naman’izy  ireo  izay  tafatsoaka miisa 02. Tsy  nisy  namoy  ny ainy  na koa naratra ireo  zandary sy  ny  fokonolona  tao anatin’ny fotoanan’ ny ady, nahafa-po ny  fiaraha-miasa nentina niadiana  tamin’ireto  mpaka an-keriny ka nahavelom-bolo ny  mponina tao an-toerana ankehitriny.

Tatianà

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés