Webradio

AMPANIHY ANDREFANA : Sarona ny henan-tsokatra maina 350 kg, sokatra velona miisa 07 saika hamidy

Araka ny  angom-baovao  voaray  avy  amin’ny  olona tsara  sitrapo, tra-tehaky ny  Zandary teo  anivon’ny  Kaompania,  Distrika Ampanihy Andrefana  ny asa ratsy nataon’ny andian’olona mpihaza sy mpamono sokatra, ny  05 febroary 2020 lasa iny, tao  Antranoavo  Kaominina Androhipano ao anatin’ny  Distrika   voalaza etsy  ambony.  13 février 2020

Fantatra fa  biby atahotana ho lany  tamingana sy arovana ity karazan-tsokatra tratra ity. Henan-tsokatra milanja 350kg efa maina nokasaina hamidy no  tratra tamin’izany ka nodorana avy  hatrany, sokatra  arovana ahiana ho lany tamingana miisa 7 kosa no naverina tany amin’ny toerana sahaza azy. 

Etsy  andanin’izay  dia  vokatry ny hetsika natao araka ny fiaraha-miasa amin’ny WWF sy ny MNP   no anisany  nahitana vokatra ka  nanamaivana ny famotorana ny  raharaha. Teo anatrehan’ny tompon’ andraiki-panjakana moa ireo hena ireo no nodorana  ny faha 10 febroary 2020 lasa teo noho ny antony ara-pahasalamana. Ireo sokatra velona miisa 07 kosa natolotra ny "Chef cantonnement" ao an-toerana mba hahafahana mamerina izany amin’ny toerana tokony hisy azy. Raràn’ny  lalàna  velona  ny  misambotra  na koa  mamono, mivarotra ary  mividy  ireo  biby arovana  izay  harem-pirenena eto  amintsika.  Manentana  hatrany  ny  eo anivon’ny  Zandarimariam-pirenena amin’ny  fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra raha sendra ka  mahita trangan-javatra  mampiahiahy   toy  izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés