Webradio

KITRA-BAREA : Amin’ny oktobra vao mety hisy fampivondronana ny mpilalao

Amin’ny fiantombohan’ny volana oktobra ho avy izao no hampivondrona ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy na  Barea ny mpanazatra Nicolas Dupuis, raha ny nambarany, omaly.  1er septembre 2020

“Fanazaran-tena sy lalao ara-pirahalahiana no hatao amin’io”, hoy izy. Nanolotra soso-kevitra vitsivitsy ho an’ny Federasiona ihany koa ny tenany mikasika ny fitantanana ny kitra Malagasy ary miandry ny fanapahan-kevitra sy ny safidin’izy ireo. Marihina fa efa nisy hevitra naroson’ity mpanazatra ity ho an’ny Kaomity mpanatanteraka teo anivon’ny Federasiona teo aloha ary efa nanaiky ireo hevitra narosony ny kaomity mpanatanteraka.

“Tsapan’izy ireo fa tena ilaina ny fampivondronana mialoha ny lalao amin’i Côte d’Ivoire fa indrindra mba hisian’ny fahaiza-miaraka amin’ireo mpilalao vaovao indray”, hoy hatrany ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Notsipihiny koa fa zava-dehibe ho an’ny ekipam-pirenena malagasy ny fanaovana fanazaran-tena miaraka na dia herinandro iray monja aza. “Raha ao anatin’ny herinandro iray no tafaraka manao fanazaran-tena ny ekipam-pirenena dia efa zava-dehibe ao anatin’ny ekipa izany satria mba efa ahitana an’ilay fahazarana miaraka na“automatisme” eo amin’ireo mpilalao tsirairay avy”, hoy ny voalaza.

 Nasiany tsindrim-peo manokana anefa na izany aza fa lafo sy sarotra ny fahafahana manao lalao ara-pirahalahiana, ary mbola tsy azo anatanterahana an’izany lalao izany ihany koa ny any Frantsa satria mbola voarara noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 any an-toerana. “Mbola eo am-pitadiavana vahaolana izay zakantsika indrindra isika izao. Marina fa ny fiarahana amin’ny alalan’ny fampivondronana no zava-dehibe, fa raha iray na roa andro fotsiny kosa dia lasa mampametra-panontaniana sady manalasala”, hoy hatrany izy. Ankoatra ireo, nilaza koa i Nicolas Dupuis fa efa nifampiresaka tamin’ny Burkina-Faso izy mba hanao lalao ara-pirahalahiana, izay hatao any Portugal. Efa noresahiny  tamin’ny FMF rahateo ny momba izany ary andrasana izay valin-teny avy amin’ity rafitra ity.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés