Webradio

FAHATAPAHANA HISATRA TENY ISORAKA : Niraikitra teo amin’ny fiara ny tongotr’ilay voadona

Omaly  alarobia maraina , teny  Isoraka ambanin’ny biraon’ny Federasiona Malagasy ny taranja Baolina kitra no nitrangana  lozam-piarakodia indray  teto an-drenivohitra.  19 mars 2020

Fiara tapaka hisatra nandeha tamin’ny  lalana “pavé” mitsororika midina any Anosy  iny  no niantombohan’ny  loza raha ny  loharanom-baovao  voarainay. Vokany, tovolahy iray   nitondra moto  no  voafaokany tamin’io fotoana io  ka avy  hatrany  dia nifatratra tamina fiara iray  nipetraka teny  ambany. 

Naratra  mafy  ilay  mpitondra moto  no  sady  niraikitra  teo  anelanelan’ny  kodiarana sy ny “carrosserie” an’ ilay fiara voadona ny   tongony. Minitra  vitsy  moa dia tonga teny  an-toerana ny  mpitandro  filaminana  nizaha ny raharaha. Tsy  misy  aloha teto  ny  aina nafoy  saingy  manao  antso avo  amin’ny  rehetra mandrakariva izy  ireo  mba ho mailo  na amin’ny  fanajana ny hafainganam-pandeha izany  na koa  ny fanatsarana ny kalitaon’ny  fiara  mandrakariva, hisorohana ny  loza misesilany.  

Raha tsiahivina dia vao tamin’ny fiatombohan’ity  herinandro  ity  ihany  koa  teny  Mahamasina no  nisy  lehilahy maty   voafaokan’ ny fiara  nandeha mafy   izay niraikitra teo amin’ny maotera mihitsy  ny  vatana  mangatsiakany. Mila mitandrina mandrakariva  fa lahitokana ny aina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés