Webradio

FIHINANANA ATSANTSA : Zazalahy iray 13 taona maty, 03 hafa mbola manohy fitsaboana

Ny  tolakandron’ny 23 marsa 2020, tovolahikely iray 13 taona no nindaosin’ ny  fahafatesana  vokatry ny fihinanana atsantsa tao Sambava, raha  ny  angom-baovao  voaray  avy  any an-toerana.  25 mars 2020

Raha ny  fanazavana  voaray, ny alahady 22 marsa 2020 no nahazo zanaka atsantsa ireto mpanjono tao Anjiakely, Kaominina Farahalana, Distrika Sambava.  Nifampizaran’izy  ireo tamin’ny  mpifanolo-bodirindrina  moa izany  ka dia samy  nihinana  avokoa ny  rehetra. Raikitra  ny  fandrahoana ilay hazan-drano be. Voalaza tamin’izay  fotoana izay  moa fa  dia  noendasina hatramin’ ny atiny  ka dia  samy nihinana  daholo. Ora vitsy  taorian’ny  nihinanana  azy dia efa  nitaraina sahady  ity  tovolahikely  fa  marary  toa  mavesabesatra izany, niitatra  ny  fitarainana  ary  toa samy  nahatsapa avokoa ny rehetra  izay nandray anjara tamin’ny fihinanana fa  misy manindrona sy  mavesatra ny vavonin’izy ireo. 

Avy  hatrany  dia  nandeha tobim-pahasalamana tao  amin’ny  CSB2 Farahalana izy ireo, ny  alahady  tokony  ho tamin’ny 10 ora  alina. Somary  nampiahiahy  ny mpitsabo ny  fahasarotan’ny  aretina  nahazo  azy  ireo ka avy  hatrany  dia  nanapa-kevitra   izy ireo fa  halefa  ao amin’ny CHRR Besopaka, hopitaliben’i Sambava ilay  zazalahikely. Natao  ny  ezaka rehetra  saingy  tsy  tana intsony  ny  ainy  ny   alatsinainy lasa teo iny. 

Etsy  ankilany, mbola  manohy fitsaboana  avokoa hatreto ny iray tampo amin’ity  namoy ny ainy ity, izay  zazalahy 14 taona , ny  anabaviny 15 taona ary ny rainy niteraka azy. Ny rainy  aza dia voamarika mihitsy  fa  mbola  tena mampiahiahy tanteraka  ny  toe-pahasalamany,  mbola miraikitra tsy  mahay miteny hatramin’ny  vavany aza. Manoloana ny loza  nanjo  ity fianakaviana  ity  dia tonga nankahery  sy  nitondra  fanampiana tamin’ny  fitsaboana  azy telo mianaka  mbola marary  tratran’ny  fanapoizinana ara-tsakafo ity ny teo  anivon’ny sampan-draharaha ny Jono ao amin’ny Faritra sava. Arahina akaiky  moa amin’izao  fotoana izao ny fivoaran’ny   fahasalaman’ireto  mbola tsaboina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés