Webradio

CASH POINT VOATAFIKA, VERY VOLA 07 TAPITRISA AR TENY 67 HA : Jiolahy 02 sarona, nadoboka eny Tsiafahy

Mihatratra ny  mpitandro  filaminana hatrany ankehitriny  ireo  andian-jiolahy  nanatanteraka  fanafihana «  cash point  » maromaro  teto  an-drenivohitra. Raha  tsiahivina   ny faha 30 janoary 2020 teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina dia nisy fanafihana mitam-piadiana nataona jiolahy maromaro tsy nisaron-tava nitranga teo amin’ny 67ha.  25 mars 2020

«  Cash point 01 teny an-toerana moa no lasibatra ary vola  mitentina  07 tapitrisa ariary  niampy  finday maromaro no very tamin’izany. Nitondra basy PA iray sy antsy lava ireo jiolahy tamin’io  fandrobana io raha  ny fanazavana voaray  hatrany.  Taorian’ity tranga  ity  moa  dia  nanokatra  fanadihadiana  ny  Polisim-pirenena  avy  ao  amin’ny  CSP4 Isotry sy ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faha-4 rehefa  nahazo  ny  fitarainana  maro.

Vokany, lehilahy  miisa  02  teto  no  voasambotra teny  Andavamamba,  ny  alakamisy 19 marsa 2020, tokony ho  tamin’ny  11 ora sy  sasany  antoandro. Rehefa nosavaina izy 02 lahy ireo tamin’io andro  io  dia nahatrarana antsy lava 01. Rehefa nosavaina ihany koa ny trano fonenan’izy 02 lahy  ireto dia mbola hita tao ny akanjo nanaovan’ireto  farany  nandritra ny fanafihana   nataony teny  67 ha.

Niaiky ny helony izy ireo nandritra ny fanadihadiana azy ary  koa nanondro ny namany 01 hafa izay nolazain’izy  ireo  fa  manana sy nampiasa ilay basy. Mbola mitohy  kosa ny fikarohana ity  naman’izy  ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy 02 lahy ireto rehefa avy nandalo fampanoavana ny alatsinainy faha 23 marsa 2020 lasa teo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés