Webradio

FIATREHANA NY “CORONAVIRUS” : Tsy mbola misy ny trangana fahasarotana amin’ireo marary

Misoko miadana  ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus. Raha tamin’ny isa telo ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina dia miha mivoatra isan’andro izany.  25 mars 2020

Tato anatin’ny 24 ora izao dia efa nisy vehivavy roa indray voamarina fa nitondra ny tsimokaretina, raha ny antontan’isa ofisialy voaray omaly tamin’ny 12 ora antoandro.  Hatreto izany dia efa misy 19 ireo voaporofo fa marary. Olona avy any ivelany tonga teto Madagasikara avokoa izy ireo. 

Nambaran’ny tompon’andraikitra fa tsy mbola misy amin’izy ireo no tonga any amin’ny dingan’ny fahasarotan’ny aretina. Rehefa tonga eo amin’io dingana io, raha ny voalaza, no mitarika any amin’ny fahafatesana saingy mbola tsy tonga amin’izany ireo voamarina fa marary hatreto. 

Ny iray tamin’izy ireo no nahitana fanaviana izay efa niafa ary ny 18 ambiny kosa tsy nahitana soritr’aretina mihitsy. Mazava ho azy fa mbola tsy nisy ny maty tamin’ny trangana “Coronavirus” teto Madagasikara. Arahi-maso akaiky ny toe-pahasalaman’izy ireo, ezaka lehibe no ataon’ny fanjakana eo anatrehan’izany. Manamafy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tokony fa tsy misy afa-tsy ny fanarahan’ny vahoaka ny fepetra efa napetraka irery ihany no ahafahana mandresy ity areti-mandoza ity.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés