Webradio

FANAPARITAHANA VAOVAO TSY MARINA : Tranga 6 nanokafana fanadihadihana, olona iray naiditra am-ponja

Eo anatrehan’ny ady atrehin’ny  Malagasy  iray  manontolo ho fisorohana ny fiparitahan’ny  valanaretina corona virus dia  misy hatrany  ireo olona mpanaparitaka  vaovao tsy marina, manely  tsaho manakorontana saim-bahoaka. 27 mars 2020

Manoloana izany  indrindra, dia efa mikaroka ireo  olon-dratsy  mpanao izany, mpanompa  na koa maniratsira olona amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky, indrindra  moa fa ny tsaho aparitaka momba ity corona virus ity, ny  eo anivon’ny  mpitandro filaminana  amin’izao  fotoana izao. Raha ny loharanom-baovao voaray  omaly dia  tranga miisa 16  no nanokafana fanadihadiana  raha toa  ka olona iray  kosa no efa nampidirina  am-ponja  manoloana ny fanelezana  vaovao tsy  marina. Efa nisy  ny vokatra raha ny fanazavana  voaray  satria  dia tranga miisa fito  hatramin’ny omaly alakamisy   no  nanokafan’ny Minisiteran’ny  filaminam-bahoaka fanadihadiana. 

Saika efa  hita avokoa ireo olona sasany niafina tao ambadik’izany. Fantatra tamin’ny  tatitra voaray hatrany moa fa  efa  tontosa ny  famotorana   ireo olona miisa efatra tamin’izy ireo, ny iray tonga dia nampidirina am-ponja vonjimaika, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Mbola mitohy kosa ny  fanadihadiana  ireo  olona telo ambiny.  Ankoatra ireo  dia mbola nisy   tranga miisa sivy  teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena  izay nanokafana fanadihadiana lalina. Ny iray tamin’izy ireo  moa dia voalaza fa  efa tratra ary nahazo  fahafahana vonjimaika  rehefa avy natolotra ny  Fitsarana. Ny valo  amin’ireo tranga dia mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny  famotorana amin’izao fotoana izao.

Vehivavy  mitonona  ho mpanao gazety karohina

 Eo anatrehan’ity fanelezana tsaho, manakorontana saim-bahoaka ity hatrany  dia fantatra ihany  koa fa nisy  vehivavy  iray  nitonona ho  mpanao gazety  nanaparitaka  filazana tamin’ny tambazotra fesiboky fa misy  olona aman-jatony  voan’ny  aretina corona virus eto Madagasikara. Vaovao izay tena diso  tanteraka ary tsy misy akory saingy entina  hampitahorana olona fotsiny tsotra izao, hoy ny mpitandro filaminana. 

Eo anatrehan’ity  tranga ity  dia efa mikaroka  io vehivavy io  fatratra ny eo anivon’ny  fitondram-panjakana ka  izay  olona manome vaovao  marim-pototra  mahafantatra  io olona io, ny mombamomba azy rehetra na koa mahita ny toerana  misy azy dia toloran’ny  Fanjakana  valisoa  avy  hatrany, izay  vola mitentina 05 tapitrisa ariary. Andrasana sy arahina  akaiky  ny  tohin’ity raharaha  ity.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés