Webradio

TSARASAOTRA : Fiara iray nifaoka mpandeha an-tongotra, miisa 02 ireo maty tsy tra-drano

Omaly alakamisy   maraina, tokony  ho tamin’ny  09 ora sy sasany  tany ho any, lozam-piarakodia mahatsiravina no  nitranga teny  amin’ny  lalana mankeny  Tsarasaotra lalam-baovao, eto an-drenivohitra.  27 mars 2020

Miisa  roa  ireo maty tsy tra-drano. Araka ny fanazavana voaray  bebe kokoa voaray avy eo anivon’ny  Polisim-pirenena   dia  fiara 405 iray no fantatra  fa nandeha nirimorimo mafy  ka  avy hatrany  dia nahavoadona  mpandeha an-tongotra, izay  vehivavy iray  21 taona  sy  lehilahy iray  29 taona ireto  voafaoka. 

Vokatry ny fandonana mafy  nahazo  azy ireo  tamin’io fotoana io dia tsy  avotra intsony  ny aina fa  samy  nindaosin’ny fahafatesana teo noho eo ihany  ireto farany. Efa voasambotry ny  mpitandro filaminana ny mpamily nahavanon-doza  tamin’izao  tranga izao ka hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela aorian’ny  famotorana lalina.

Fandehanana mafy diso tafahoatra, mampitandrina  hatrany ny Polisy
Manoloana  ny trangana lozam-pifamoivoizana miseho  eto an-drenivohitra matetika dia tsy mitsahatra  mampitandrina  ny  mpampiasa lalana  mandrakariva ny Polisy  satria dia  saika ny tsy  fanajana ny hafainganam-pandeha  hatrany no  mahatonga faty  olona  nisesilany.  Mandritra izao fotoana  tsy mahazo ivezivezena izao  noho ny  valanaretina  coronavirus izao ihany koa  dia  malalaka sy mangina  ny lalana saingy izany akory tsy midika fa mahazo mandeha mafy avokoa ireo mpamily. Ilaina ny fitandremana hisorohana  ny loza mahatsiravina  efa mateti-piavy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés