Webradio

ARANTA : Lehilahy 23 taona hita faty tao an-tranony ny sabotsy antoandro lasa teo

Lehilahy 23 taona  i Oussama Abad no hita faty tao an-tranony ny sabotsy antoandro teo. 31 mars 2020

Ny vadiny nifoha avy natory no nahita azy efa tsy misy aina intsony ary nifatotra ny tendany. Novahan’izy ireo moa ny fatotra ary nentina tany amin’ny dokotera saingy efa vatana mangatsiaka sisa. Nantsoina ny BMH sy ny mpitandro filaminana hanao ny fizahana. Hatreto dia tsy fantatra na namono tena na nisy namono ity tovolahy ity. Ny tady namatorana ny tendany sisa afaka nojeren’ireo polisy mpanao famotorana, ary nisy ny fanadihadiana ireo rehetra nahita azy.

Araka ny vaovao azo dia mbola hita tao amin’ny biraony vola maromaro ihany satria tokony hanao ‘versement’ izy. Nisokatra ihany koa ny ‘coffre’ tao amin’ny biraony ao ambany rihana saingy mbola nisy vola tao. Voalaza moa fa niasa tao amin’ny biraony izy, tamin’io antoandro io, saingy tany ambony rihana no nahitana azy efa nivalampatra teo akaikin’ny varavarana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana hikatsahana ny marina amin’ity raharaha ity.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés