Webradio

FIKASANA FANAFIHANA “VILLA” : Lavon’ny balan’ny Polisy ny jiolahy iray, karohina ny namany

Ao  anatin’ny  fiambenana, fanaraha-maso akaiky  ny  vahoaka  sy  ny fananany  ny mpitandro  filaminana  amin’izao fotoana  mafy  atrehin’ny  Malagasy  manerana ny  Nosy  izao. 31 mars 2020

Hentitra  izy ireo  amin’ny  ady amin’ny tsy  fandriam-pahalemana, ho an’ny Polisim-pirenena  manokana dia mitohy mandrakariva ny fisafoana ny tanàna eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nahitam-bokany izany  ny faran’ny herinandro lasa teo ka fantatra tamin’ny  loharanom-baovao voaray  fa jiolahy  iray  no lavon’ny balan’ny Polisy teny Ambatoroka, vaky trano  iray  ihany  koa no voasoroka teny  Andohatapenaka. 

Araka ny fanazavana voaray bebe kokoa, ny  alahady  29 marsa lasa teo, nisy andian-jiolahy saika hanafika “villa” iray teny Ambatoroka. Nifanehitra tampoka tamin’ny Polisin’ny “Unité Spéciale d’Intervention”  anefa ireto  olon-dratsy ka  avy hatrany dia lavon’ny  bala teo no ho eo ihany  ny jiolahy iray tamin’ izy ireo. Nandritra  ny fisavana azy dia nahitana basy vita gasy iray  sy  bala tany aminy, ny  namany  iray  kosa dia mbola tafaporitsaka nitsoaka. Rehefa  nandeha ny fanadihadiana  lalina dia  tsikaritry ny  mpanao famotorana fa anisan’ilay jiolahy  nifampitifitra tamin’ireo  Polisy  teny Antsahabe, vao tsy ela akory izay  ity maty voatifitra ity. 

Tsy  mitsahatra manohy ny asa ratsiny  anefa ireto farany  satria   dia mbola  tratra  nifanena  tampoka tamin’ny  mpitandro filaminana indray raha nikasa  hanafika teny Ambatoroka. Efa nahazoana  vaovao mialoha moa ireto jiolahy ireto fa nikasa hanatanteraka fanafihana  teny Ambohimanambola sy Ambatoroka saingy izao rava izao. Karohina hatrany  kosa ny   namany iray   tafatsoaka ankehitriny.

Jiolahy nikasa hamaky trano  teny  Andohatapenaka voasoroky ny Polisy
Rehefa tonga ara-potoana  teny  Andohatapenaka ny Polisy   ao anatin’ny Boriborintany fahafito raha toa ka nandre fa misy  jiolahy  nikononkonona vaky trano teny amin’ny manodidina, omaly alatsinainy lasa teo ihany. Voasoroka  ny teti-dratsy rehefa nahavoaray antso haingana ireto mpitandro filaminana  ka namonjy ny mponina teny amin’ny manodidina avy  hatrany, tsy  niandry  fotoana ela. Tsy nisy araka izany ny zavatra very  fa ny vavahadin’ ilay trano  saika horobaina no efa tafavohan’ireo jiolahy. 

Manamafy  hatrany  moa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny  Minisiteran’ny  filaminam-bahoaka fa mivoha 24/24 sy 7/7 avokoa ny  sampan-draharaha rehetra ao amin’izy ireo  ahafahana manampy  ny olom-pirenena. Entanina  mandrakariva ny rehetra mba hampandre azy ireo  raha sendra ka mahita trangam-piarahamonina mampiahiahy, indrindra amin’izao vanim-potoana somary mangina izao ny tanàna. Betsaka  mantsy ireo jiolahy  no  minia mahasahy  manohy ny asa ratsy .

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés