Webradio

TSY FANARAHAN-DALANA : Vehivavy tompona Bar iray nosamborin’ny Polisy teny 67ha

Tsy  mandefitra ny Polisy  ary  tsy  manaiky  ireo izay  minia   tsy  manara-dalàna hatrany  mandritra ny fotoana fihibohana, toromarika  napetraky ny  Filoham-pirenena izao. 31 mars 2020

Raha ny tatitra voarainay omaly teo am-panoratana lahatsoratra dia vehivavy  tompona  “trano  fisotroan-toaka” na Bar iray teny amin’ny 67 ha no voatery tsy  maintsy nosamborina  ary nakatona tanteraka mihitsy ny tsenany.

Voalaza mantsy  fa mbola sahy mamory olona ao amin’ny toeram-pivarotany  ity farany no sady mampirisika ireo  mpanjifany mba ho sahy  hanohitra ireo mpitandro filaminana  izay miteny azy ireo. Tsikaritra  moa fa saika tsy manara-dalàna ny fepetra napetraka ny  ankabezan’ireo mponina  nipetraka  manodidina eny 67 ha, Ankazomanga sy  Antohomadinika iny.

Nogiazana koa ny kilalaon’ireo ankizy nivezivezy teny an’arabe

Etsy  ankilany dia noravan’ny  Polisy rahateo koa ireo ankizy sy tanora maromaro milalao baolina eny an’arabe sy  milalao “roller”. Tsy  maintsy  nogiazana ireo kilalao mba tsy hahafahany manao izany  intsony fa hisitrika any  an-tranony amin’izay, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tsy  kilalao ny areti-mandoza tafiditra eto amin’ny Firenena ka mampatsiahy ny vahoaka Malagasy hatrany ny  eo anivon’ny  Polisim-pirenena mba hanaja ny toromarika. Hiandry hoe “nisy namoy ny ainy noho ny aretina ve izay vao  hikoropaka daholo  ny rehetra tsy manaiky alamina mba hanaraka ny fepetra napetraka ?”

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés