Webradio

MINISITRA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : "Fahavalo tsy hita maso ny coronavirus"

Niantso fiaraha-mientana ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy nandritra ny fivahinianany tao amin’ny foibe fibaikoana ny fandrindrana ny aretina coronavirus eny amin’ny MBC Ivato, omaly. 31 mars 2020

"Andao hiara-hiady isika fa fahavalo tsy hita maso ity aretina "coronavirus" ity", hoy ny nambarany. Nitaona  ny rehetra hanaraka antsakany sy andavany ireo fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny Minisitra ary nanamafy fa fotoana tokony hanamafisana ny fifanomezan-tanana izao. "Azo ampandeferina ny hambom-po sy ny adilahy politika fa andao ity aretina ity aloha no hifantohana. Ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana no ahafahana mandresy ny aretina. Anatina ady ny Firenena amin’izao. Fahavalo tsy hita maso no atrehana ka ny vahoaka Malagasy rehetra dia samy miady amin’izany avokoa", hoy hatrany ny fanambarana.

Nanipika koa ny Minisitra fa tsy tokony hikoropaka ny mponina manoloana ity aretina ity. Ny tsara indrindra, hoy izy, dia ny fijanonana any an-trano satria any ihany no toerana azo antoka indrindra hiarovana ny tena sy hiarovana ny hafa. Nanome toromarika mahakasika ireo fiara mpitatitra entana manerana an’i Madagasikara koa ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy amin’ny maha mpitondra tenin’ ny Governemanta azy. 

Ny fiara mitondra ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, menaka, voamaina sy ireo maro hafa, hoy izy, dia afaka mifamezivezy an-kalalahana avokoa saingy tsy maintsy hajaina hatrany ny fepetra avy amin’ny mpitandro filaminana. "Tsy tokony ho voasakana mihitsy ny entana ilain’ny olona amin’ny fiainana andavanandro. Efa toromarika mazava hatrany am-piandohana izany ka tokony hahalala an’izay avokoa ny tompon’andraikitra", hoy hatrany ny Minisitra.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés