Webradio

VONO SY HERISETRA : Nogadraina vonjimaika ilay ramatoabe nampijaly ny zafikeliny tao Mampikony

Noho ny herisetra, vono isan’andro niampy  fanandevozana  nataon’ilay  ramatoabe tamin’ny zafikeliny  notezainy tao Mampikony,  Faritra  Sofia iny  dia fantatra  tamin’ny loharanom-baovao  voarainay omaly teo am-panoratana ny lahatsoratra  fa naiditra am-ponja vonjimaika  ny  faha  02 avrily  lasa teo ity farany.  6 avril 2020

Raha  tsiahivina kely   ny  zava-niseho,  ny  faha  28 marsa, niparitaka tamin’ny  tambazotran-tserasera facebook   ny  vono sy fampijaliana nataon’ilay ramatoabe tamin’ny zafiny  notezainy. Zazavavikely  antsoina hoe Ramamonjisoa Florence, mpianatra  ao amin’ny EPP Ambalavavy Mampikony  ity niharan’ny  herisetra ity. Raha  ny fanampim-panazavana voaray dia  mbola velon-dray aman-dreny  izy  saingy toa tsy misy miraharaha ka dia  notezainy ny bebeny. Fijaliana  no niainany tao, toy ny famatorana amin’ny  tady na koa  dorana  amin’ny  afo, tsy omena sakafo, tsy  mahazo  mandeha any an-tsekoly.

Ireo no  fitarainana sy tatitra  nambaran’ireo mpiray vodirindrina amin’izy ireo  mahita ilay tranga  nandritra ny fanadihadiana  natao. Indraindray aza moa dia  alaina an-keriny any am-pianarana mihitsy ity zaza ity mba hampiharana ireo  herisetra voalaza ireo. Taorian’ny famotorana lalina  dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay renibe ratsy fanahy  raha ny  vaovao voaray  avy any an-toerana.  

Tsara hatrany  ny mampahatsiahy fa manameloka  ary miady amin’ny herisetra  miseho  amin’ ny  endriny  maro samihafa ny fitondram-panjakana. Ramatoa Mialy Rajoelina no  masoivoho ny FNUAP izay misahana ny vehivavy sy ankizy  amin’izany  ary  vonona mandrakariva   izy  ireo mandray  fepetra  hentitra   raha  sendra  ka mahita trangan-javatra mahonena eny anivon’ny  fiarahamonina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés