Webradio

TETO AN-DRENIVOHITRA : Miisa 06 ny maty hita nitsirara teny an-dalana nandritra ny volana marsa

Ny  volana marsa 2020, miisa enina ireo olona  namoy ny ainy teto an-drenivohitra,  hita nitsipaka tampoka, nitsirara teny an-dalana. Io no  tatitra avy eo anivon’ny  Bmh, ny faran’ny  herinandro lasa teo.  6 avril 2020

Araka  ny fanazavana voaray bebe kokoa, nandritra ny fotoana fihibohana, fepetra sy toromarika  napetraky ny fitondram-panjakana  nanomboka  ny  23 marsa lasa teo  manoloana ny valanaretina “coronavirus” no  nahitana ireo tranga ireo. Teny Ankazomanga, Tsiazotafo, Andravoahangy, 67ha  ireo   no toerana  nahitana ireo olona  nianjera  saingy  voamarina teo anivon’ny  tobim-pahasalamana avokoa fa  tsy ny aretina “coronavirus“ akory   no  nahavoa azy ireo  ka nahafaty azy.

Aretina  mitaiza, tsy fahampian-tsakafo io  no antony  izay  niafara hatramin’ny  fahafatesana mihitsy. Tsikaritra  mantsy  fa  vao nisy ireo  tranga ireo  teto an-drenivohitra  dia maro  no  natahotra. Nandeha ny tsaho rehetra fa  efa mihanaka be  sy  miparitaka  eto Antananarivo ity areti-mandoza mihatra amin’izao  tontolo izao ity. Hany ka dia tsy  nisy  sahy  nandray  andraikitra  tandrify azy namonjy  ny  ain’ireo olona narary ireo  ny ankabeazan’ny fiarahamonina  sy ny manodidina. Nanamafy   hatrany ny mpitsabo  fa  ny hanoanana no anisany nampitarika  ny fihombon’ny aretina  tamin’ireo olona ireo. 

Na izany  aza anefa dia tsy tokony  hatao ambanin-javatra ny  toromarika napetraky ny  fitondram-panjakana   eo anatrehan’ny ady iombonana  amin’ny aretina coronavirus fa hampihatra izany  avokoa ny tsirairay. Raha sendra ihany koa mahita trangan-javatra mampiahiahy  momba ity aretina  ity eny anivon’ny  fiarahamonina dia  afaka miantso avy hatrany  ny laharana  miandraikitra  izany  toy ny 910- 913- 914. Ho an’ireo  aretina tsotra  hafa ihany koa   dia manamafy anefa ireo mpitsabo eny amin’ny toeram-pitsaboana hafa toy ny eny amin’ny  Hjra fa misokatra ary mandray marary izy ireo   amin’izao  vanim-potoana misy antsika izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés