Webradio

FENOARIVO-ATSINANANA : Nodimandry i Tsiariana, kalazalahy amin’ny fitendrena angorodao

Nodimandry teo amin’ny faha-72 taonany tao amin’ny Hopitaly Be Fenoarivo-Atsinanana, ny alin’ny alahady 3 mey teo i Tsiariana. Mpitendry angorodao sy mpihira izy. Teraka ny taona 1948 tao Vohilengo Fenoarivo-Atsinanana. 6 mai 2020

Ny taona 1963 no nanomboka nihirany sy tena nahafantarana azy teo amin’ny fitendrena angorodao. Anisany nampalaza azy ny fampandihizana amin’ny angorodao mandra-maraina. Efa namoaka sangan’asa tao amin’ny Discomad fahiny izy. Efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana maro momba ny fitendrena angorodao izay nahazoany mari-pankasitrahana maro. Efa nahazo «  Chevalier de l’Ordre National  » izy ary efa nosalorana ny «  Officier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture  » ihany koa.

 Namela kamboty 10 mianadahy izy. Ireo zanany ireo izay maro no lasa mpitendry angorodao koa. Ny alin’ny alahady 3 mey sy ny tapany maraina ny alatsinainy 4 mey, dia nandrasana tao amin’ny Tranompokonolona Fenoarivo-Atsinanana ny razana noho ny fangatahan’ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analanjirofo ary ny fianakaviamben’ny mpanakanto Fenoarivo-Atsinanana tamin’ny fianakaviana. Ny tolakandron’ny alatsinainy 4 mey no nihazo ny tany fiaviany, Vohilengo. Atao anio alarobia ny fandevenana azy. 

Nisaotra ireo rehetra nifanampy taminy tamin’ny fikarakarana ny razana niaraka tamin’ny fianakaviana nanomboka tao Fenoarivo-Atsinanana ka hatrany Vohilengo ny talem-paritry ny serasera sy kolontsaina any an-toerana. Izahay eto amin’ny gazety Ino Vaovao Faritra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés