Webradio

ORANGE PRO LEAGUE : Mangataka ny hamerenana ny fiadiana ny tompondakan’ny baolina kitra

Manoloana ny fiverenana tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro dia nametraka taratasy fangatahana teo amin’ny Fanjakana ny komity mpikarakara ny fiadiana ny tompondakan’ny baolina kitra eto Madagasikara na ry zareo avy ao amin’ny Orange pro league.  8 mai 2020

Nangataka izy ireo ny hamerenana ny fiadiana ny tompondakan’ny baolina kitra eto Madagasikara, izany hoe hamitàna ny lalao efatra farany araka izay fepetra takin’ny Fanjakana, mbola tsy namaly anefa ny avy eo amin’ny fitondram-panjakana, ka nanambara ny Sekretera Jeneraly Mirado Rakotoharimalala, fa tsy afaka manoatra ny mpikarakara ity fiadiana ny tompondaka ity raha tsy mamaly ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.

Tsiahivina fa nanomboka ny harivan’ny 20 marsa 2020 no niato avokoa ny fifaninanana ara-panatanjahantena rehetra teto Madagasikara rehefa nanambara ny Filoham-pirenena fa misy trangana coronavirus telo eto Madagasikara, ka nanomboka niditra tsikelikely tamin’ny fihibohana amin’ny ampahany isika avy eo. Efa ao anatin’ny fialana tsikelikely amin’ny fihibohana indray izao i Madagasikara nanomboka ny alarobia 22 avrily 2020 satria hitantsika ny fisorohana sy fitsaboana ny coronavirus dia ny tambavy CVO.

Naverina an-dakilasy ny mpianatra manala fanadinana ary naverina miasa ny fiara fitateram-bahoaka, nomen-dalana hisokatra ny Fiangonana fa tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana, mbola tsy nasiana teny kosa ny mahakasika ny lalao ara-panatanjahantena, ka izao manao ny fangatahana izao ny eo anivon’ny Orange pro league izay maneho ny fahavononany hanatanteraka ny fepetra hapetraky ny Fanjakana eo am-panatanterrahana ny fifaninanana.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés