Webradio

ZAVA-MISY

TOAMASINA : Rangahy 59 taona matin’ ny coronavirus

Fahafatesana voalohany nateraky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara ity nitranga tao Toamasina, ny sabotsy 16 mey tokony ho tamin’ny 10 ora alina ity.  18 mai 2020

Rangahy iray antsoina hoe Kasaona Roger, 59 taona miasa ao amin’ny Hopitaly Kely Toamasina ary nanaraka fitsaboana tao amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno (Chu Morafeno) no namoy ny ainy noho ny coronavirus. Sekreteran’ny talen’ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana no tena asany.

Anisany fantatra teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra satria mpilalaon’ny 3FB fahiny sady mpitaiza tanora teo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena i Kasaona Roger izay. Araka ny angom-baovao, dia efa nanaraka fitsaboana tao amin’ny Hopitaly Be Toamasina ny tenany vokatry ny aretina mitaiza azy, diabeta sy tosidra, nialoha ny namindrana azy tao amin’ny Hopitaly Morafeno. Ny sabotsy 9 mey, niakatra be ny hafanany ka voatery nampidirina teny amin’ny Hopitaly manara-penitra narahina fanaovana fitiliana izy. Fantatra fa nitondra Covid-19 ity rangahy ity ary nahitana soritra fahasemporana, ka voatery nampidirina efitra fameloman’aina.

Tsy azo alaina ny razana

Nihatsara ny toe-pahasalamany nanomboka ny alakamisy 14 mey, hoy ny fianakaviany. Izy izay fantatra fa efa nangataka hihinana vary sosoa. Ny sabotsy alina hatairana ny an’ny fianakaviana naharay antso fa namoy ny ainy ny havan’izy ireo. Nisy moa ny toromarika nomen’ny mpitsabo ireto fianakaviany ireto fa tsy azo alain’izy ireo ny razana noho ilay olona matin’ny coronavirus  fa ny vatam-paty ihany no aterin’ireo havany. Na dia teo aza ny alahelon’ny fianakaviana izay nilaza tamin’ny mpanao gazety fa «  tsy nilazana mialoha ny nahavoa coronavirus ny havan’izy ireo  » dia nanaiky ny fandaminana napetraka ihany. 

Ny tolakandron’ny alahady 17 mey io, tamin’ny 2 ora sy 20 no nivoaka ny hopitaly manara-penitra ny razana. Olona vitsy tena akaiky azy sy ny mpiasan’ny fahasalamana no nanatanteraka ny fandevenana ny nofo mangatsiakany tao amin’ny fasana iombonana ao Marokarazana Ambalamanasy, ny tolakandron’ny alahady 17 mey.

Niantoka vidim-panafody

 Fitondrana sy fandevenana ny razana izay natrehin’ny mpitandro filaminana. Ny fianakavian’i Kasaona Roger izay naneho ny alahelon’izy ireo ihany koa fa mbola izy ireo no niantoka ny vidim-panafody rehetra tamin’ny fitsaboana nefa ny Filoham-pirenena efa nilaza fa maimaimpoana ny fitsaboana ny mararin’ny coronavirus eto Madagasikara.

Tsara ny manamarika fa monina ao amin’ny fokontany 12/14 Tanamakoa Toamasina ity rangahy namoy ny ainy ity. 

Ankoatra izay, araka ny loharanom-baovao, teratany filipianina iray miasa ao Ambatovy izay marary mafy vokatry ny aretina Covid-19 no fantatra fa halefa hotsaboina any ivelany. Ny andron’ny alahady 17 mey teo no efa niandry ny fiaramanidina manokana hitondra azy ity Filipianina miasa ao Ambatovy ity saingy hatramin’ny fotoana nanoratanay  ny lahatsoratra dia tsy mbola tonga ilay fiaramanidina manokana.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés