Tamin’ity fotoana ity no nahafantarana ny mombamomba ilay trano teny Manankasina Ambohimahitsy fa fanafenan’ireo olon-dratsy ireo olona nalaina an-keriny. Marihina hatrany fa lasibatr’ireto farany ireo teratany karana monina eto amintsika.
Anisany nafenina tao amin’ity trano ity koa izao i Navaz Veldjee, ny 13 desambra 2019. Fantatra tao anaty fanadihadiana natao fa ity trano naorina teo amin’ity toerana ity dia tsy nahazoana fahazahoan-dalana akory ary nanana olana tamin’ny Fiangonana Katolika ihany koa ny milaza ho tompony satria voamarina fa an’ny Katolika ny tany, raha ny loharanom-baovao.
Na ireo nanorina ity trano ity aza dia anisany tafiditra tao anatin’ny mpiray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy. Ankehitriny moa dia efa narodana tanteraka ity trano ity. Tonga teny an-toerana ny bildozera nandrava izany sy ireo Zandary manara-maso akaiky ny raharaha. Raha ny nambaran’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany dia nanamafy izy ireo fa tsy tokony ho lasan’ireo olon-dratsy mpanao “kidnapping” intsony io tany io ary tsy ananany zo hanorenana trano intsony fa miverina soa aman-tsara amin’izay tena tompony dia ny Fiangonana Katolika.
Tatianà R.