Webradio

FANAFIHANA CASH POINT TENY NANISANA : Maty voatifitry ny polisy i Tovo Brown, jiolahy ikoizana

Taorian’ny fanadihadiana lalina notanterahin’ny Polisy avy eo anivon’ny “Unité spéciale d’intervention” mahakasika ny trangana fanafihana “cash point” teny Nanisana, ny zoma faran’ny herinandro lasa teo, dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray omaly fa maty voatifitra teny Ambohijanaka ny jiolahy iray ikoizana ary anisany tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. 18 mai 2020

Roa andro taty aoriana dia efa nahazo vokatra tsara ny teo anivon’ny Polisim-pirenena, jiolahy fantatra tamin’ny anarana hoe Tovo Brown ity sarona ity ary koa namoy ny ainy. Ny famotorana natao no nahafantarana ny toerana nisy azy izay teny Ambohijanaka Lohanosy, ka nidina ifotony avy hatrany ny Polisy nikaroka azy. Raha vao nahita ireto Polisy i Tovo Brown dia nitifitra, ka raikitra ny fifamaliana tifitra teo amin’ny roa tonta izay nahavoatifitra azy ka nitarika hatramin’ny fahafatesany. 

Nomarihin’ny mpitandro filaminana mpanao ny fanadihadiana moa fa jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika teto an-drenivohitra Antananarivo ity farany. Fanafihana “cash point” teny Nanisana Ampasapito, fandrobana ny “Grossiste FOFIFA”, famonoana olona tao anaty fiara “Mercedes sprinter” teny Malaza, fanafihana mitam-piadiana tao Ambohijanaka, ireo no anisany nampisongadina azy tamin’ny asa ratsy vitany.

Hatreto dia mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo jiolahy mpiray tsikombakomba aminy miaraka manatanteraka ireo asa ratsy ireo. Mbola maro rahateo koa ireo jiolahy mihaodihaody eto an-drenivohitra sy ny manodidina manohy fanafihana amin’ny toerana maro saingy tsy milavo lefona ireo Polisy miaro ny vahoaka sy ny fananany, miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, raha ny fanazavana voaray mandrakariva.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés