Webradio

FITATERANA OLONA AN-TSOKOSOKO : Naiditra am-ponja vonjimaika ny tompon’andraikitry ATT Vakinankaratra

Tsy anavahana na iza na iza ny fisamborana ireo olona mandika lalàna, mampanjaka kolikoly. 18 mai 2020

Hentitra ny mpitondra Fanjakana sy ny mpitandro filaminana ary mahazo ny sazy tandrify azy avy ireo izay olona tratra manao izany. Ao anatin’ny ady sarotra ny Firenena ankehitriny noho ny aretina coronavirus ka hentitra ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena, ny fiara mpitatitra izay mbola tsy mahazo mivezivezy amin’izao fotoana. Misy ihany ireo zatra minia mandika lalàna. 

Araka ny tatitra voaray avy amin’ny Polisim-pirenena DRSP Vakinankaratra àry dia voalaza fa naiditra am-ponja vonjimaika ao Antsirabe ny tompon’andraikitry ny fitaterana an-tanety ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, ny zoma faha 15 mey 2020 lasa teo. Ny antony dia noho ny fanararaotam-pahefana sy fampiasana ary fanamboarana taratasy hosoka. Ny fanazavana no nilaza fa ampiasain’ity tompon’andraikitry ny Fitaterana an-tanety ity nitondrana olona an-tsokosoko ny fiarany ka tra-tehaky ny Polisy.

Rehefa natao ny fisavana ireo antontan-taratasy tany aminy dia hita fa hosoka avokoa. Taorian’ny famotorana lalina nokarakarain’ny Polisy no natolotra ny Fitsarana ny raharaha ary notazomina vonjimaika aloha izy sy ny olona iray hafa namany hatreto. Mbola hoentina eto an-drenivohitra ihany koa ny fanohizana ny fanadihadiana ny tranga izay tanterahin’ny “Pole anti-corruption” raha ny tatitra hatrany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés