Tonga nanatrika izany ireo solontenam-panjakana tao an-toerana dia ny Governoran’ny Faritra Sava, ny Kaomandan’ny Kaompanian’ny Zandary ao Andapa ary koa ny Ben’ny tanàna. Raha ny fanazavana voaray dia fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny andrimasom-pokonolona tao an-toerana no nahatrarana ireo lavanila manta ireo nanomboka ny faha 30 avrily ka hatramin’ny 08 mey lasa teo.
Olona miisa dimy no voasambotra tamin’izany ka efa mifonja ao Antalaha daholo ireo olona ireo. Tsy nitsahatra nanentana ny mponina ny eo anivon’ny Zandary mba hanome loharanom-baovao momba ity tranga ity ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny halatra lavanila manta ao anatin’ny Distrikan’Andapa Faritra Sava.
Efa nivoaka ireo daty isokafan’ny taom-piotazana 2020-2021
Nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 20 mey lasa teo dia nivoaka ny didim-pitondrana iraisan’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ary ny asa tanana sy ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono izay mamaritra ny daty anokafana ny taom-piotazana sy ny varotra lavanila taona 2020-2021. Marihina fa miisa sivy eo ireo voasokajy mamokatra lavanila eto Madagasikara dia Analanjirofo, Anosy, Atsimo Atsinanana, Alaotra Mangoro, Diana, Sava, Atsinanana, Sofia ary Vatovavy Fitovinany.
Tatianà R.