Webradio

FISOLOKIANA TANY TENY FENOARIVO : Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo mpidongy tany

Tafiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny talata teo ny roa tamin’ireo olona nisakana ny fanatanterahana ny didim-pitsarana  nampizaka ny tompony ny fananana ny tany novidiny hatramin’ny taona 2015 teny Fenoarivo-Atsimondrano. 22 mai 2020

Notorin’ny tompony noho io fanoherana ny fizakana ny tany ananany zo ara-panjakana io ireto antokon’olona ireto satria mbola nanakorontana sy nanoso-potaka ary nandrahona azy mianakavy ho faty ihany koa ankoatra ny fibodoana ny taniny. Notsiahivin’ny mpitory fa nandady rariny tamin’ireo olona ireo nandritra ny efa-taona mahery izy, ho fitandroana ny fiarahamonina, ka tonga hatramin’ny fampanantenana handoa ny hofan’ny trano izay hifindrany sy hanome renivola hampiasainy ho fivelomana mba hialany moramora nefa nivadihany hatrany ka izao niafara amin’ny Fitsarana izao. 

«  Mitonona ho tompon’ny tany izy ireo ka ampiasana fahefana hanilihana azy amin’ny fananany  », araka ny fanazavana naeliny tamin’ny fampahalalam-baovao, hoy ilay vehivavy lehibe nividy ny tany tamin’izany nefa voatery nividy fanindroany tamin’ny tompony, vao nahavita ny taratasy ara-dalàna.  «  Mpiambin-tanàna no nipetrahan’izy ireo teo ka io milaza ho tompony ankehitriny io ihany no vavolombelona tamin’ny nivarotan-dreniny ny tanin’olona tamiko tamin’ny 2005 », hoy izy.  

Voatery nivarotra ny tany vao azony ihany anefa ny mpividy voalohany tamin’ny 2015, rehefa nandresy ireo nisoloky azy sady nitonona ho tompon’ny tany azony ka nanao antsojay taminy. Nitohy tamin’ny olona nivarotany azy ny hetraketrak’ireo nidongy ny taniny ka izao niafara tamin’ny ady fanindroany, hiakarany Fitsarana amin’ny 22 jona izao indray. 

Makoalahy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés