Webradio

KALITAON’NY VOKATRA : Nihena 20 000 taonina ny fanondranana lojy mainty maso

Nihena 20 000 taonina ny fanondranana lojy mainty maso na black eyes tato anatin’ny folo taona. 20 000 taonina monja no naondrana tamin’iny taona lasa iny, raha 40 000 taonina izany folo taona lasa izay.  22 mai 2020

Nisy ny atrikasa hanatsarana ny sehatr’asa natao tao amin’ny Antenimieran’ny varotra tamin’ ny herinandro lasa teo, niarahan’ireo mpisehatra sy ny minisitera misahana ny varotra ary ny Faritra Boeny... Marihina moa fa vokatra fitaratra eto Boeny ny lojy mainty maso, ary anisany mampiditra vola vahiny betsaka. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny Faritra amin’ny fampandrosoana dia efa nanao tantsoroka ity seha-pihariana ity hatrany ny faritra hatrizay ka hatramin’izao. Mandalo olana ny seha-pihariana, hoy ny talen’ny fampandrosoana ao amin’ny Faritra Marcellin satria miharatsy ny kalitaon’ny ambezo ka mihena ny vokatra.  Miakatra ihany koa ny tahan’ny fanafody simika anaty vokatra ka misy ireo vokatra no averin’ny mpanafatra. Misy ihany koa ireo mpijirika manimba ny tsena... 

Nametraka paikady ireo mpisehatra matihanina sy ny Faritra ka anisan’izany ny fifehezana ny varotra fanafody izay maniry toy ny anana. Nametrahana manam-pahaizana manokana amin’ny "pesticide" eny ifotony hanampy ny mpamboly amin’ny fampiasana ireo fanafody famonoana bibikely.  Eo amin’ny ambezo kosa dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny Fofifa sy ny sehatra tsy miankina hanatsarana izany. Napetraka sy nohamafisina kosa ny fambolena ifanarahana, ka ifanarahan’ny mpamboly mialoha amin’ny olona handray ny  vokatra ny fanampiana (ambezo, zezika sy fanafody....) sy ny vidiny handraisana azy.

Ho an’ny minisitera sy ny mpiara-miombona antoka kosa dia fanatsarana ny tontolon’ny fambolena ho matihanina  ary hametraka azy ho seha-pihariana enti-mandroso.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés